< Isaia 29 >
1 Lozan’ i Ariela’, lozan’ i Ariela, Tanàna nitoeran i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana;
Mawa na yo, Arieli, Arieli, engumba oyo Davidi azalaki kovanda! Bobakisa mibu na mibu mpe botika ete bafeti na bino ekoba kolandana ndenge ezalaka.
2 Dia hampahory an’ i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
Kasi nakonyokola Arieli; ekokoma na mawa mpe na kolela; ekokoma na miso na Ngai lokola etumbelo.
3 Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
Nakozingela yo mpo na kobundisa yo, nakozingela yo na mir ya molayi mpe nakotiela yo mampinga ya nguya mpo na kotelemela yo.
4 Dia haetry ianao ka hiteny ao amin’ ny tany, ary ao amin’ ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin’ ny tany tahaka ny an’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin’ ny vovoka no ikiakiahan’ ny teninao.
Okokitisama solo na se, okoloba wuta na mabele, mpe maloba na yo ekobanda kobima na mongongo ya se wuta na putulu. Mongongo na yo ekokoma kobima wuta na se ya mabele lokola mongongo ya moto oyo asololaka na milimo ya bakufi; mpe wuta na putulu, maloba na yo ekobima na mongongo ya se.
5 Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
Bongo ebele ya banguna na yo bakokoma lokola putulu, mpe ebele ya banyokoli na yo bakokoma lokola matiti ekawuka oyo ezali kopumbwa na mopepe; ekosalema bongo na pwasa.
6 Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hihavian’ ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
Yawe, Mokonzi ya mampinga, akoya epai na yo na nzela ya bakake, ya koningana ya mabele mpe ya lokito monene, ya mopepe makasi mpe ya mvula ya moto oyo etumbaka.
7 Ary ho tahaka ny fahitana eo amin’ ny nofy amin’ ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an’ i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
Ekozala lokola ndoto to emoniseli ya butu mpo na ebele ya bikolo oyo bakobundisa Arieli, oyo bakotelemela ye elongo na bandako na ye ya makasi mpe bakozingela ye.
8 Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
Ekozala lokola moto oyo azali na nzala, bongo azali kolota ndoto ete azali kolia, kasi tango alamuki, libumu na ye ezali kaka pamba lokola moto oyo azali na posa ya mayi, bongo azali kolota ndoto ete azali komela mayi, kasi tango alamuki na nzoto ya kolemba, posa na ye ya mayi esili kaka te. Ekozala nde bongo mpo na mampinga ya bikolo nyonso oyo bakobundisa ngomba Siona.
9 Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin’ ny toaka.
Bozanga maloba mpe bokamwa! Bomiboma miso mpe botikala bakufi miso! Bolangwa masanga, kasi na vino te! Botenga-tenga, kasi na masanga ya makasi te!
10 Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
Yawe asopeli bino molimo ya pongi makasi; akangi bino miso, bino basakoli, azipi bino mito, bino bato oyo bomonaka makambo.
11 Ary ny fahitana ny amin’ izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
Mpo na bino, emoniseli nyonso oyo ekomi lokola maloba ya buku oyo bakanga mpe bapesi epai ya moto oyo ayebi kotanga, bongo balobi na ye: « Nabondeli yo, tanga nanu buku oyo, » kasi azongisi: « Nakokoka te, pamba te buku ekangama. »
12 Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
To bapesi yango epai ya moto oyo ayebi kotanga te, mpe balobi na ye: « Nabondeli yo, tanga nanu buku oyo, » kasi azongisi: « Nayebi kotanga te. »
13 Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’ olombelona ampianarina azy ihany,
Nkolo alobi: « Bato oyo bapusanaka pene na Ngai kaka na monoko, bapesaka Ngai lokumu kaka na bibebu, kasi mitema na bango ezalaka mosika na Ngai; mpe botosi oyo bazalaka na yango epai na Ngai ezali kaka mobeko ya bomoto, oyo bateyaki bango.
14 Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
Yango wana, nakokoba kokamwisa bato oyo; ekozala nde bikamwa likolo ya bikamwa kino bwanya ya bato ya bwanya ekobunga, mpe mayele ya bato ya mayele ekosuka. »
15 Lozan’ izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’ i Jehovah, sady ao amin’ ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
Mawa na bato oyo basalaka makambo na nkuku mpo na kobombela Yawe mabongisi na bango; bato oyo basalaka misala na bango na molili mpe balobaka: « Nani akoki komona biso? Nani akoyeba? »
16 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
Bozali nde kobongola makambo! Ezali lokola bozali kozwa mosali mbeki ndenge moko na mabele oyo basalelaka mbeki. Boni, eloko ekoki solo koloba na mosali na yango: « Asalaki ngai te? » Mbeki ekoki solo koloba na mosali mbeki: « Ozali mayele te? »
17 Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
Etikali kaka tango moke, Libani ekobongwana elanga ya kitoko, mpe elanga ya kitoko ekomonana lokola zamba.
18 Amin’ izany andro izany dia ho ren’ ny marenina ny tenin’ ny taratasy, ary na dia ao amin’ ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ ny jamba.
Na mokolo wana, bakufi matoyi bakoyoka maloba ya buku, mpe bakufi miso bakomona tango bakobima na butu mpe na molili.
19 Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’ i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin’ ny olona hifaly amin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely,
Bato bakelela bakosepela makasi kati na Yawe, babola bakozala na esengo kati na Mosantu ya Isalaele.
20 Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin’ ny ratsy,
Banyokoli bakotikala lisusu te, batioli bakozala lisusu te mpe bato oyo balukaka pasi ya baninga bakokufa:
21 Dia ireo manameloka olona amin’ ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin’ ny lainga foana.
elongo na bato oyo bakweyisaka bato kati na kosamba mpo na liloba moko, elongo na bato oyo batielaka basambisi mitambo mpe bapesaka matatoli ya lokuta, na kosambisama, mpo na kokweyisa moto ya sembo.
22 Koa ny amin’ ny taranak’ i Jakoba dia izao no lazain’ i Jehovah, Izay nanavotra an’ i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
Mpo na yango, tala liloba oyo Yawe, Mosikoli ya Abrayami, alobi na libota ya Jakobi: « Jakobi akozala lisusu na soni te, elongi na ye ekozala lisusu ya kokawuka te.
23 Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
Tango akomona kati na bango bana na ye, mosala ya maboko na Ngai, bakopesa lokumu na bosantu ya Kombo na Ngai mpe bakososola bosantu ya Mosantu ya Jakobi. Boye, bakozala na somo ya Nzambe ya Isalaele.
24 Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
Bato oyo bazali koyengayenga na molimo bakozwa mayele, mpe bato ya mito makasi bakondima koyekola mateya ya sika. »