< Isaia 28 >
1 Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Woe to the crown of pride of the drunkards of Ephraim, and to the fading flower of his glorious beauty, which is on the head of the fat valley of them that are smitten down with wine!
2 Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ ny tany.
Behold, the Lord hath a mighty and strong one, as a storm of hail, a tempest of destruction, as a storm of mighty waters overflowing, that casteth down to the earth with violence.
3 Dia hohitsahin’ ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima.
The crown of pride of the drunkards of Ephraim shall be trodden under foot;
4 Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’ aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.
And the fading flower of his glorious beauty, which is on the head of the fat valley, shall be as the first-ripe fig before the summer, which when one looketh upon it, while it is yet in his hand he eateth it up.
5 Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ ny olony sisa,
In that day shall the LORD of hosts be for a crown of glory, and for a diadem of beauty, unto the residue of His people;
6 Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
And for a spirit of judgment to him that sitteth in judgment, and for strength to them that turn back the battle at the gate.
7 Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ ny divay ary mivembena azon’ ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ ny toaka; Resin’ ny divay ireo; Mivembena azon’ ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ ny fitsarana.
But these also reel through wine, and stagger through strong drink; the priest and the prophet reel through strong drink, they are confused because of wine, they stagger because of strong drink; they reel in vision, they totter in judgment.
8 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
For all tables are full of filthy vomit, and no place is clean.
9 Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
Whom shall one teach knowledge? And whom shall one make to understand the message? Them that are weaned from the milk, them that are drawn from the breasts?
10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
For it is precept by precept, precept by precept, line by line, line by line; here a little, there a little.
11 Eny, amin’ ny molotra miambakambaka sy amin’ ny fiteny baiko no hitenenany amin’ ity firenena ity,
For with stammering lips and with a strange tongue shall it be spoken to this people;
12 Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo.
To whom it was said: 'This is the rest, give ye rest to the weary; and this is the refreshing'; yet they would not hear.
13 Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
And so the word of the LORD is unto them precept by precept, precept by precept, line by line, line by line; here a little, there a little; that they may go, and fall backward, and be broken, and snared, and taken.
14 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
Wherefore hear the word of the LORD, ye scoffers, the ballad-mongers of this people which is in Jerusalem:
15 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, (Sheol )
Because ye have said: 'We have made a covenant with death, and with the nether-world are we at agreement; when the scouring scourge shall pass through, it shall not come unto us; for we have made lies our refuge, and in falsehood have we hid ourselves'; (Sheol )
16 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
Therefore thus saith the Lord GOD: Behold, I lay in Zion for a foundation a stone, a tried stone, a costly corner-stone of sure foundation; he that believeth shall not make haste.
17 Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena.
And I will make justice the line, and righteousness the plummet; and the hail shall sweep away the refuge of lies, and the waters shall overflow the hiding-place.
18 Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo. (Sheol )
And your covenant with death shall be disannulled and your agreement with the nether-world shall not stand; when the scouring scourge shall pass through, then ye shall be trodden down by it, (Sheol )
19 Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
As often as it passeth through, it shall take you; for morning by morning shall it pass through, by day and by night; and it shall be sheer terror to understand the message.
20 Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
For the bed is too short for a man to stretch himself; and the covering too narrow when he gathereth himself up.
21 Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
For the LORD will rise up as in mount Perazim, He will be wroth as in the valley of Gibeon; that He may do His work, strange is His work, and bring to pass His act, strange is His act.
22 Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
Now therefore be ye not scoffers, lest your bands be made strong; for an extermination wholly determined have I heard from the Lord, the GOD of hosts, upon the whole land.
23 Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
Give ye ear, and hear my voice; attend, and hear my speech.
24 Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
Is the plowman never done with plowing to sow, with the opening and harrowing of his ground?
25 Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’ izay va ny voan’ ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
When he hath made plain the face thereof, doth he not cast abroad the black cummin, and scatter the cummin, and put in the wheat in rows and the barley in the appointed place and the spelt in the border thereof?
26 Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.
For He doth instruct him aright; his God doth teach him.
27 Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian’ ny sariety no akodiadia amin’ ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin’ ny fantàka, ary ny komina amin’ ny tehina.
For the black cummin is not threshed with a threshing-sledge, neither is a cart-wheel turned about upon the cummin; but the black cummin is beaten out with a staff, and the cummin with a rod.
28 Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.
Is bread corn crushed? Nay, he will not ever be threshing it; and though the roller of his wagon and its sharp edges move noisily, he doth not crush it.
29 Izany koa dia avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa mahagaga amin’ ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin’ ny fahendrena.
This also cometh forth from the LORD of hosts: Wonderful is His counsel, and great His wisdom.