< Isaia 26 >

1 Amin’ izany andro izany dia hohiraina eto amin’ ny tanin’ ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’ i Jehovah ho manda sy fiarovana.
Ngalolosuku lingoma izahlatshelwa elizweni lakoJuda ethi: Silomuzi oqinileyo; uNkulunkulu uzamisa usindiso lube yimiduli lezinqaba.
2 Vohay ny vavahady, mba hidiran’ ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
Vulani amasango ukuze singene isizwe esilungileyo esigcina ukuthembeka.
3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Uzamgcina ekuthuleni okupheleleyo ongqondo yakhe yeyama phezu kwakho, ngoba ethemba kuwe.
4 Matokia an’ i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
Thembani eNkosini kokuphela, ngoba eNkosini uJehova kuLidwala elilaphakade.
5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
Ngoba ibehlisela phansi abahlala engqongeni; umuzi ophakemeyo, iwehlisela phansi; iwehlisela phansi emhlabathini, iwufikise othulini.
6 Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
Unyawo luzawunyathelela phansi, ngitsho inyawo zabayanga, amanyathela abaswelayo.
7 Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
Indlela yabalungileyo iyikuqonda; wena oqondileyo, uyalinganisa umkhondo wabalungileyo.
8 Koa amin’ ny lalan’ ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ ny fanahinay.
Yebo, endleleni yezahlulelo zakho, Nkosi, sikulindele; isiloyiso somphefumulo wethu sisebizweni lakho lekukukhumbuleni.
9 Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Ngomphefumulo wami ngikuloyisile ebusuku; yebo, ngomoya wami ophakathi kwami ngizakudinga ngovivi; ngoba lapho izahlulelo zakho zisemhlabeni, abahlali bomhlaba bazafunda ukulunga.
10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ ny tanin’ ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’ i Jehovah.
Uba okhohlakeleyo etshengiswa umusa, kube kanti kayikufunda ukulunga; elizweni lobuqotho uzakwenza okubi, njalo kayikubona ubukhosi beNkosi.
11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Nkosi, isandla sakho siphakeme, kabayikubona; kodwa bazabona, babe lenhloni ngokutshisekela kwakho abantu; intukuthelo yomlilo wezitha zakho uzaziqeda.
12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Nkosi, uzasimisela ukuthula, ngoba lawe usenzele yonke imisebenzi yethu.
13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
Nkosi Nkulunkulu wethu, amanye amakhosi ngaphandle kwakho ake abusa phezu kwethu; kodwa ngawe kuphela sizakhumbula ibizo lakho.
14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Afile, kawayikuphila; ayimimoya efileyo, kawayikuvuka; ngakho uwaphindisele wawachitha, waqeda konke ukukhunjulwa kwawo.
15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
Usandisile isizwe, Nkosi, wasandisa isizwe; uyadunyiswa; usisusele khatshana kuyo yonke imikhawulo yomhlaba.
16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
Nkosi, besekuhluphekeni bakwethekelele, bathulula umkhuleko lapho ukujezisa kwakho kuphezu kwabo.
17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
Njengowesifazana okhulelweyo sekusondele ukubeletha, esebuhlungwini, ekhala emihelweni yakhe, saba njalo ebusweni bakho, Nkosi.
18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Sasikhulelwe, sasisebuhlungwini, kwakungathi sibelethe umoya. Kasenzanga usindiso emhlabeni, njalo abahlali bomhlaba kabawanga.
19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Abafileyo bakho bazaphila, lesidumbu sami, bazavuka. Vukani, limemeze ngentokozo, lina elihlala ethulini; ngoba amazolo akho anjengamazolo emibhida, lomhlaba uzabakhupha imimoya efileyo.
20 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.
Hambani bantu bami, lingene emakamelweni enu, livale iminyango yenu ngemva kwenu, licatshe okwesikhatshana, luze ludlule ulaka.
21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Ngoba, khangelani, iNkosi iyaphuma endaweni yayo ukuthi iphindisele ububi babahlali bomhlaba phezu kwabo; lomhlaba uzaveza igazi lawo, ungabe usabafihla ababuleweyo bawo.

< Isaia 26 >