< Isaia 26 >

1 Amin’ izany andro izany dia hohiraina eto amin’ ny tanin’ ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’ i Jehovah ho manda sy fiarovana.
In that day this song shall be sung in the land of Judah: We have a strong city. He will appoint salvation for walls and bulwarks.
2 Vohay ny vavahady, mba hidiran’ ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
Open ye the gates, that the righteous nation which keeps faith may enter in.
3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Thou will keep him in perfect peace, whose mind is stayed on thee, because he trusts in thee.
4 Matokia an’ i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
Trust ye in Jehovah forever, for in Jehovah, even Jehovah, is an everlasting rock.
5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
For he has brought down those who dwell on high. The lofty city, he lays it low. He lays it low even to the ground. He brings it even to the dust.
6 Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
The foot shall tread it down, even the feet of the poor, and the steps of the needy.
7 Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
The way of the just is uprightness. Thou who are upright directs the path of the just.
8 Koa amin’ ny lalan’ ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ ny fanahinay.
Yea, in the way of thy judgments, O Jehovah, we have waited for thee, to thy name. Even to thy memorial, is the desire of our soul.
9 Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.
With my soul I have desired thee in the night. Yea, with my spirit within me I will seek thee earnestly. For when thy judgments are in the earth, the inhabitants of the world learn righteousness.
10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ ny tanin’ ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’ i Jehovah.
Let favor be shown to a wicked man, yet he will not learn righteousness. In the land of uprightness he will deal wrongfully, and will not behold the majesty of Jehovah.
11 Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Jehovah, thy hand is lifted up, yet they do not see. But they shall see thy zeal for the people, and be put to shame. Yea, fire shall devour thine adversaries.
12 Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Jehovah, thou will ordain peace for us, for thou have also wrought all our works for us.
13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
O Jehovah our God, other lords besides thee have had dominion over us, but by thee only we will make mention of thy name.
14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Being dead, they shall not live. Being deceased, they shall not rise. Therefore thou have visited and destroyed them, and made all remembrance of them to perish.
15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
Thou have increased the nation, O Jehovah, thou have increased the nation. Thou are glorified. Thou have enlarged all the borders of the land.
16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
Jehovah, in trouble they have visited thee, they poured out a prayer when thy chastening was upon them.
17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
As a woman with child, who draws near the time of her delivery, is in pain and cries out in her pangs, so we have been before thee, O Jehovah.
18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’ izao tontolo izao.
We have been with child. We have been in pain. We have as it were brought forth wind. We have not wrought any deliverance in the earth, nor have the inhabitants of the world fallen.
19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Thy dead shall live. My dead bodies shall arise. Awake and sing, ye who dwell in the dust, for thy dew is as the dew of herbs, and the earth shall cast forth the dead.
20 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.
Come, my people, enter thou into thy chambers, and shut thy doors around thee. Hide thyself for a little moment until the indignation be passed over.
21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
For, behold, Jehovah comes forth out of his place to punish the inhabitants of the earth for their iniquity. The earth also shall disclose her blood, and shall no more cover her slain.

< Isaia 26 >