< Isaia 24 >

1 Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Tazama, Bwana ataifanya dunia kuwa ukiwa na kuiharibu, naye atauharibu uso wake na kutawanya wakaao ndani yake:
2 Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
ndivyo itakavyokuwa kwa makuhani na kwa watu, kwa bwana na kwa mtumishi, kwa bibi na kwa mtumishi wake wa kike, kwa muuzaji na kwa mnunuzi, kwa mkopaji na kwa mkopeshaji, kwa mdaiwa na kwa mdai.
3 Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
Dunia itaharibiwa kabisa na kutekwa nyara kabisa. Bwana amesema neno hili.
4 Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin’ ny olona etỳ an-tany.
Dunia inakauka na kunyauka, dunia inanyongʼonyea na kunyauka, waliotukuzwa wa dunia wananyongʼonyea.
5 Ary ny tany dia efa voavetavetan’ ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
Dunia imetiwa unajisi na watu wake; wameacha kutii sheria, wamevunja amri na kuvunja agano la milele.
6 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
Kwa hiyo laana inaiteketeza dunia, watu wake lazima waichukue hatia yao. Kwa hiyo wakazi wa dunia wameteketezwa, nao waliosalia ni wachache sana.
7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
Divai mpya inakauka na mzabibu unanyauka, watu wote wafurahishao wanalia kwa huzuni.
8 Mitsahatra ny firavoravoana amin’ ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
Furaha ya matoazi imekoma, kelele za wenye furaha zimekoma, shangwe za kinubi zimenyamaza.
9 Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin’ izay misotro azy ny toaka;
Hawanywi tena mvinyo pamoja na wimbo, kileo ni kichungu kwa wanywaji wake.
10 Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran’ olona;
Mji ulioharibiwa umekuwa ukiwa, mlango wa kila nyumba umefungwa.
11 Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan’ ny tany.
Barabarani wanalilia kupata mvinyo, furaha yote imegeuka kuwa majonzi, furaha yote imefukuziwa mbali na dunia.
12 Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
Mji umeachwa katika uharibifu, lango lake limevunjwa vipande.
13 Fa ao amin’ ny tany, ao amin’ ny olona, dia hisy toy ny amin’ ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
Ndivyo itakavyokuwa duniani na miongoni mwa mataifa, kama vile wakati mzeituni upigwavyo, au kama vile wakati masazo yabakiavyo baada ya zabibu kuvunwa.
14 Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan’ i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ ny ranomasina izy hoe:
Wanainua sauti zao, wanapiga kelele kwa furaha, kutoka magharibi wanasifu kwa ukelele utukufu wa Bwana.
15 Mankalazà an’ i Jehovah any amin’ ny tany atsinanana, dia ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ ny amoron-dranomasina.
Kwa hiyo upande wa mashariki mpeni Bwana utukufu, liadhimisheni jina la Bwana, Mungu wa Israeli, katika visiwa vya bahari.
16 Hatrany am-paran’ ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
Kutoka miisho ya dunia tunasikia uimbaji: “Utukufu kwa Yule Mwenye Haki.” Lakini nilisema, “Ninadhoofika, ninadhoofika! Ole wangu! Watenda hila wanasaliti! Kwa hila watenda hila wanasaliti!”
17 Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ ny tany.
Hofu, shimo na mtego vinakungojea, ewe mtu ukaaye duniani.
18 Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin’ ny lavaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin’ ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ ny tany.
Kila akimbiaye asikiapo sauti ya hofu atatumbukia shimoni, naye yeyote apandaye kutoka shimoni, atanaswa kwenye mtego. Malango ya gharika ya mbinguni yamefunguliwa, misingi ya dunia inatikisika.
19 Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
Dunia imepasuka, dunia imechanika, dunia imetikiswa kabisa.
20 Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
Dunia inapepesuka kama mlevi, inayumbayumba kama kibanda kwenye upepo; imelemewa sana na mzigo wa hatia ya uasi wake na ikianguka kamwe haitainuka tena.
21 Ary amin’ izany andro izany dia any an-danitra no hamalian’ i Jehovah ny antokon’ ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ ny tany.
Katika siku ile Bwana ataadhibu nguvu zilizoko mbinguni juu, na wafalme walioko duniani chini.
22 Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy.
Watakusanywa pamoja kama wafungwa waliofungwa gerezani, watafungiwa gerezani na kuadhibiwa baada ya siku nyingi.
23 Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ ny loholony dia misy voninahitra.
Mwezi utatiwa haya, nalo jua litaaibishwa; kwa maana Bwana Mwenye Nguvu Zote atawala juu ya Mlima Sayuni na katika Yerusalemu, tena mbele ya wazee wake kwa utukufu.

< Isaia 24 >