< Isaia 23 >

1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin’ ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
Neno kuhusu Tiro: Ombolezeni, enyi meli za Tarshishi! Kwa kuwa Tiro imeangamizwa, imeachwa bila nyumba wala bandari. Kuanzia nchi ya Kitimu neno limewajia.
2 Mangìna, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin’ ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.
Nyamazeni kimya, enyi watu wa kisiwani, pia ninyi wafanyabiashara wa Sidoni, ambao mabaharia wamewatajirisha.
3 Teny amin’ ny rano be ny varin’ i Sihora, dia ny vokatr’ i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ ny firenena izy.
Kwenye maji makuu nafaka za Shihori zilikuja; mavuno ya Naili yalikuwa mapato ya Tiro, naye akawa soko la mataifa.
4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
Uaibishwe ee Sidoni, nawe ee ngome la bahari, kwa kuwa bahari imesema: “Sijapata kuwa na uchungu wa kuzaa wala sijapata kuzaa, wala sijapata kulea wana wala kutunza mabinti.”
5 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’ i Tyro.
Habari ifikapo Misri, watakuwa katika maumivu makuu kwa ajili ya taarifa kutoka Tiro.
6 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
Vukeni mpaka Tarshishi, ombolezeni, enyi watu wa kisiwani.
7 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin’ ny tongony hivahiny any lavitra any?
Je, huu ndio mji wenu uliojaa sherehe, mji wa zamani, zamani kabisa ambao miguu yake imeuchukua kufanya makao nchi za mbali sana?
8 Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Ni nani amepanga hili dhidi ya Tiro, mji utoao mataji, ambao wafanyabiashara wake ni wana wa mfalme na wachuuzi wake ni watu mashuhuri wa dunia?
9 Jehovah, Tompon’ ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ ny tany.
Bwana Mwenye Nguvu Zote ndiye alipanga jambo hili, ili kukishusha kiburi cha utukufu wote na kuwanyenyekesha wale wote ambao ni mashuhuri duniani.
10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an’ i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.
Ee Binti Tarshishi, pita katika nchi yako kama vile Mto Naili kwa kuwa huna tena bandari.
11 Ny tànan’ i Jehovah nahifiny tambonin’ ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’ i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
Bwana amenyoosha mkono wake juu ya bahari na kuzifanya falme zake zitetemeke. Ametoa amri kuhusu Kanaani kwamba ngome zake ziangamizwe.
12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
Alisema, “Usizidi kufurahi, ee Bikira Binti Sidoni, sasa umepondwa! “Simama, vuka uende Kitimu; hata huko hutapata pumziko.”
13 Indro ny tanin’ ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ ny Asyriana fonenan’ ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.
Tazama katika nchi ya Wakaldayo, watu hawa ambao sasa hawaonekani kama wapo! Waashuru wameifanya nchi hiyo kuwa mahali pa viumbe wa jangwani. Wamesimamisha minara yao ya vita kuuzunguka, wameziteka ngome zake na kuziacha tupu na kuufanya kuwa magofu.
14 Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
Ombolezeni, enyi meli za Tarshishi; ngome yenu imeangamizwa!
15 Ary amin’ izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron’ ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ ilay tonon-kalon’ ny janga manao hoe:
Wakati huo Tiro utasahauliwa kwa miaka sabini, muda wa maisha ya mfalme. Lakini mwisho wa miaka hiyo sabini, itakuwa kwa Tiro kama ilivyo katika wimbo wa kahaba:
16 “Makà lokanga, ka miveziveze eran’ ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.”
“Twaa kinubi, tembea mjini kote, ewe kahaba uliyesahauliwa; piga kinubi vizuri, imba nyimbo nyingi, ili upate kukumbukwa.”
17 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’ i Tyro, ka dia hiverina amin’ ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
Mwishoni mwa miaka sabini, Bwana atashughulika na Tiro. Naye atarudia ajira yake ya ukahaba, na atafanya biashara yake na falme zote juu ya uso wa dunia.
18 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’ i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an’ izay mitoetra eo anatrehan’ i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.
Lakini faida na mapato yake yatawekwa wakfu kwa Bwana; hayatahifadhiwa wala kufichwa. Faida zake zitakwenda kwa wale wakaao mbele za Bwana kwa ajili ya chakula tele na mavazi mazuri.

< Isaia 23 >