< Isaia 23 >
1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin’ ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
This is the burden against Tyre: Wail, O ships of Tarshish, for Tyre is laid waste, without house or harbor. Word has reached them from the land of Cyprus.
2 Mangìna, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin’ ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.
Be silent, O dwellers of the coastland, you merchants of Sidon, whose traders have crossed the sea.
3 Teny amin’ ny rano be ny varin’ i Sihora, dia ny vokatr’ i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ ny firenena izy.
On the great waters came the grain of Shihor; the harvest of the Nile was the revenue of Tyre; she was the merchant of the nations.
4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
Be ashamed, O Sidon, the stronghold of the sea, for the sea has spoken: “I have not been in labor or given birth. I have not raised young men or brought up young women.”
5 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’ i Tyro.
When the report reaches Egypt, they will writhe in agony over the news of Tyre.
6 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
Cross over to Tarshish; wail, O inhabitants of the coastland!
7 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin’ ny tongony hivahiny any lavitra any?
Is this your jubilant city, whose origin is from antiquity, whose feet have taken her to settle far away?
8 Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Who planned this against Tyre, the bestower of crowns, whose traders are princes, whose merchants are renowned on the earth?
9 Jehovah, Tompon’ ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ ny tany.
The LORD of Hosts planned it, to defile all its glorious beauty, to disgrace all the renowned of the earth.
10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an’ i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.
Cultivate your land like the Nile, O Daughter of Tarshish; there is no longer a harbor.
11 Ny tànan’ i Jehovah nahifiny tambonin’ ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’ i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
The LORD has stretched out His hand over the sea; He has made kingdoms tremble. He has given a command that the strongholds of Canaan be destroyed.
12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
He said, “You shall rejoice no more, O oppressed Virgin Daughter of Sidon. Get up and cross over to Cyprus— even there you will find no rest.”
13 Indro ny tanin’ ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ ny Asyriana fonenan’ ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.
Look at the land of the Chaldeans — a people now of no account. The Assyrians destined it for the desert creatures; they set up their siege towers and stripped its palaces. They brought it to ruin.
14 Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
Wail, O ships of Tarshish, for your harbor has been destroyed!
15 Ary amin’ izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron’ ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ ilay tonon-kalon’ ny janga manao hoe:
At that time Tyre will be forgotten for seventy years—the span of a king’s life. But at the end of seventy years, it will happen to Tyre as in the song of the harlot:
16 “Makà lokanga, ka miveziveze eran’ ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.”
“Take up your harp, stroll through the city, O forgotten harlot. Make sweet melody, sing many a song, so you will be remembered.”
17 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’ i Tyro, ka dia hiverina amin’ ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
And at the end of seventy years, the LORD will restore Tyre. Then she will return to hire as a prostitute and sell herself to all the kingdoms on the face of the earth.
18 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’ i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an’ izay mitoetra eo anatrehan’ i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.
Yet her profits and wages will be set apart to the LORD; they will not be stored or saved, for her profit will go to those who live before the LORD, for abundant food and fine clothing.