< Isaia 22 >
1 Faminaniana ny amin’ ny lohasahan’ ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo,
有關「神視谷」的神諭:你究竟為了什麼上了屋頂﹖
2 Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ ady.
你這座充滿喧嘩嘈雜的城市,享樂的都會!你的被殺者並不是被殺於刀劍,也不是死於戰場。
3 Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.
你所有的官長都結伴逃遁,竄逃遠方;你所有的將士也都集體被俘,棄弓就縛。
4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
為此我說:「你們不要管我,讓我痛哭一場罷!也不要為了我民族的女兒的零落,有勞你們來安慰我!」
5 Fa ao amin’ ny lohasahan’ ny fahitana dia misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
因為這是一個混亂、蹂躪、惶惑的日子,是屬於吾主萬軍的上主的日子;在「神視谷」內,城牆倒塌,喊聲震撼山岳。
6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin’ ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon’ ampinga
厄藍取了箭囊,阿蘭騎上了戰馬,克爾亮出了盾牌。
7 Izay tsara indrindra amin’ ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
你最富麗的山谷充滿了戰車,騎兵已在門前佈好陣勢。
8 Dia alana ny fisalobonan’ i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin’ izany andro izany.
猶大的屏障已被揭開。那天你們只仰望林宮內的武器,
9 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan’ i Davida; Ary mamory ny rano avy amin’ ny kamory ambany ianareo.
只看見了達味城上的許多裂縫,聚集了下池塘的蓄水,
10 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
計算了耶路撒冷的房屋,拆毀了民房來鞏固城牆,
11 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin’ ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
在兩城牆之間,又鑿了個蓄水池,來貯藏池塘的水;卻沒有仰望這事的主事者,也沒有回顧那老早計劃了這事。
12 Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
那天,吾主萬軍的上主本來叫人哭泣、哀號、削髮、腰束苦衣;
13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman’ osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
但是,看,仍是歡躍喜樂,宰牛殺羊,飲酒食肉:「吃喝罷!明天我們就要死啦!」
14 Dia nambaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
萬軍的上主親自附耳傳示給我說:「決不赦免你們這罪惡,除非你們死去。」吾主萬軍的上主這樣說。
15 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha mankao amin’ ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin’ i Sebna, lehiben’ ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
有關宮殿總管舍布納的神諭:吾主萬軍的上主這樣說:去!到那個在高處給自己鑿墳墓,
16 Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin’ ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin’ ny harambato?
在巖石間給自己闢寢室的家宰那裏去,對他說:「你在這裏有什麼東西﹖你在這裏有什麼人,竟在這裏為你鑿墳墓﹖
17 Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,
看哪!上主要大力一擲,把你擲得遠遠的;他要抓緊你,
18 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin’ ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin’ ny tomponao.
將你捲了又捲,捲成一團,如一圓球,拋擲到廣闊之地。你要死在那裏,連你的彩車也要毀滅,你這個王宮的恥辱!
19 Ary horoahiko hiala amin’ ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin’ ny raharahanao
我要革你的職,撤你的位。
20 Ary amin’ izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’ i Hilkia;
到那天,我要召希耳克雅的兒子厄里雅金作我的僕人。
21 Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin’ ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain’ ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’ i Joda izy.
我要把你的朝衣給他穿上,把你的玉帶給他束上,將你的治權交在他手中;他將作耶路撒冷居民和猶大家室的慈父。
22 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin’ ny tranon’ i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
我要將達味家室的鑰匙放在他肩上;他開了,沒有人能關;他關了,沒有人能開。
23 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ ny mpianakavin-drainy.
我要堅定他,有如釘在穩固地方的木橛;他將成為他父家榮譽的寶座。
24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin’ ny lovia ka hatramin’ ny siny samy hafa rehetra.
他父家全部的榮耀、細枝、嫩芽、各種細小的物品,自碗具以至各種壺瓶都懸掛在它上面。
25 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin’ ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
到那一天--萬軍上主的斷語--釘在穩固地方的木橛必將脫落,破裂,掉下來,上面所掛的重載也要摔得粉碎。因為上主說了。