< Isaia 2 >

1 Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
Tala makambo oyo Ezayi, mwana mobali ya Amotsi, amonaki na tina na Yuda mpe Yelusalemi:
2 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Na mikolo oyo ekoya, ngomba ya Tempelo ya Yawe ekolendisama ngwi na songe ya bangomba, ekoleka bangomba mikuse nyonso na molayi, mpe bikolo nyonso ekokende kotondana kuna.
3 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
Bato ya bikolo ebele bakokende kuna mpe bakoloba: « Boya, tomata na ngomba ya Yawe, na Tempelo ya Nzambe ya Jakobi. Akoteya biso banzela na Ye mpo ete tolanda banzela mike na Ye. » Pamba te Mobeko ekowuta na Siona, mpe Liloba na Yawe ekowuta na Yelusalemi.
4 Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
Akozala Mosambisi kati na bikolo, akokata makambo ya kowelana kati na bato ebele. Bakotumba mipanga na bango na moto mpo na kosala bakongo, mpe makonga na bango mpo na kosala bambeli. Ekolo moko te ekotombola lisusu mopanga mpo na kobundisa ekolo mosusu; bato bakoyekola lisusu te kobunda bitumba.
5 Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
Oh ndako ya Jakobi, yaka, tika ete totambola na pole ya Yawe!
6 Fa efa nanary ny taranak’ i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.
Solo, osundolaki bato na Yo, libota ya Jakobi, mpo ete batondisami na bizaleli ya soloka oyo ewuti na Este; bazali kosalela maji lokola bato ya Filisitia, bazali kosala boyokani elongo na bapagano.
7 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
Mokili na bango etondi na palata mpe wolo, bomengo na bango ezali na suka te. Mokili na bango etondi na bampunda mpe bakoki ata moke te kotanga bashar na bango ya bitumba.
8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Mokili na bango etondi na banzambe ya bikeko, bato bakomi kofukamela biloko oyo esalemi na maboko na bango, oyo misapi na bango esili kosala.
9 Koa ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
Yango wana, bato bakokitisa mito, mpe bato ya lokumu bakotonda na soni; kolimbisa bango te!
10 Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
Kimela na madusu ya mabanga, bombama na putulu ya mabele liboso ya nguya ya kanda ya Yawe, liboso ya nkembo ya lokumu na Ye!
11 Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Na mokolo wana, moto ya lolendo akokitisa elongi, bato ya lofundu bakokitisama; Yawe kaka nde akonetolama.
12 Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Yawe, Mokonzi ya mampinga, abongisa mokolo moko mpo na kokitisa bato nyonso ya lolendo mpe ya lofundu, bato nyonso oyo bamimatisaka,
13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
banzete nyonso ya sedele ya Libani, oyo eleki na molayi mpe na kotombwama, mpe banzete nyonso ya sheni ya Bashani;
14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
bangomba nyonso ya milayi mpe bangomba nyonso ya mikuse,
15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
bandako nyonso ya milayi, bamir nyonso ya milayi oyo batonga makasi;
16 Sy ny sambon’ i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
bamasuwa nyonso ya Tarsisi mpe bomengo na yango nyonso ya kitoko.
17 Ary ny fireharehan’ ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Lolendo ya moto ekosila mpe lofundu ya bato ekosuka; Yawe kaka nde akonetolama na mokolo wana.
18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
Banzambe nyonso ya bikeko bakobebisama nye.
19 Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Bato bakokimela na madusu ya mabanga mpe na putulu ya mabele liboso ya nguya ya kanda ya Yawe, liboso ya nkembo ya lokumu na Ye, tango akotelema mpo na koningisa mokili.
20 Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Na mokolo wana, bato bakobwaka epai ya bampuku mpe bangembo banzambe na bango ya bikeko ya palata mpe banzambe na bango ya bikeko ya wolo, oyo basalaki mpo ete bafukamela bango.
21 Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Bakokima na madusu ya mabanga mpe kati na mabanga liboso ya nguya ya kanda ya Yawe, liboso ya nkembo ya lokumu na Ye, tango akotelema mpo na koningisa mokili.
22 Mitsahara, fa aza mitoky amin’ ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
Botika kotia elikya na moto oyo bomoi na ye ezali lokola pema kati na zolo na ye. Motuya nini azali na yango?

< Isaia 2 >