< Isaia 2 >

1 Ny teny izay hitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, ny amin’ ny Joda sy Jerosalema.
La parole qu’Isaïe, fils d’Amos, a vue touchant Juda et Jérusalem.
2 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Il arrivera, à la fin des jours, que la Montagne de la maison de Yahweh sera établie au sommet des montagnes et élevée au-dessus des collines. Et vers elle toutes les nations afflueront,
3 Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
et des nations nombreuses viendront et diront: « Venez et montons à la montagne de Yahweh, à la maison du Dieu de Jacob; il nous instruira de ses voies, et nous marcherons dans ses sentiers. » Car de Sion sortira la loi, et de Jérusalem la parole de Yahweh.
4 Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
Il sera l’arbitre des peuples et le juge de nations nombreuses. Ils forgeront leurs épées en socs de charrue; et leurs lances en faucilles. Une nation ne lèvera plus l’épée contre l’autre, et l’on n’apprendra plus la guerre.
5 Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
Maison de Jacob, venez, et marchons à la lumière de Yahweh.
6 Fa efa nanary ny taranak’ i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.
Car vous avez abandonné votre peuple, la maison de Jacob, parce qu’ils ont comblé la mesure depuis longtemps, qu’ils pratiquent la magie comme les Philistins, et qu’ils donnent la main aux fils de l’étranger.
7 Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
Leur pays est rempli d’argent et d’or, et leurs trésors sont sans fin; leur pays est rempli de chevaux, et leurs chars sont sans nombre.
8 Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany;
Leur pays est rempli d’idoles; ils se prosternent devant l’ouvrage de leurs mains, devant ce que leurs doigts ont fabriqué.
9 Koa ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
C’est pourquoi le mortel sera humilié et l’homme sera abaissé: non, vous ne leur pardonnerez point!
10 Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
Entre dans le rocher, cache-toi dans la poussière, devant la terreur de Yahweh et l’éclat de sa majesté.
11 Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Les yeux hautains du mortel seront abaissés, et l’orgueil de l’homme sera humilié, et Yahweh sera exalté, lui seul, en ce jour-là.
12 Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Car Yahweh des armées aura un jour contre tout orgueil et toute hauteur, et contre tout ce qui s’élève, pour l’abaisser;
13 Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
contre tous les cèdres du Liban, hauts et élevés, et contre tous les chênes de Basan;
14 Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
contre toutes les hautes montagnes, et contre toutes les collines élevées;
15 Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
contre toute tour superbe, et contre toute forte muraille;
16 Sy ny sambon’ i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
contre tous les vaisseaux de Tarsis, et contre tout ce qui charme les yeux.
17 Ary ny fireharehan’ ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
L’arrogance du mortel sera humiliée, et l’orgueil de l’homme sera abaissé, et Yahweh sera élevé, lui seul, en ce jour-là.
18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
Et toutes les idoles disparaîtront.
19 Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Et ils entreront dans les cavernes des rochers, et dans les antres de la terre, devant la terreur de Yahweh, et l’éclat de sa majesté, quand il se lèvera pour épouvanter la terre.
20 Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
En ce jour-là l’homme jettera ses idoles d’argent et ses idoles d’or, qu’il s’était faites pour les adorer, aux rats et aux chauves-souris,
21 Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
pour s’enfuir dans les trous de la pierre et dans les fentes des rochers, devant la terreur de Yahweh, et l’éclat de sa majesté, quand il se lèvera pour épouvanter la terre.
22 Mitsahara, fa aza mitoky amin’ ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
Cessez donc de vous confier en l’homme, dans les narines duquel il n’y a qu’un souffle; car quelle estime en avoir?

< Isaia 2 >