< Isaia 19 >
1 Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny.
The burden of Egypt. Behold, Jehovah rideth upon a swift cloud, and cometh unto Egypt: and the idols of Egypt shall tremble at his presence; and the heart of Egypt shall melt in the midst of it.
2 Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.
And I will stir up the Egyptians against the Egyptians: and they shall fight every one against his brother, and every one against his neighbor; city against city, [and] kingdom against kingdom.
3 Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy.
And the spirit of Egypt shall fail in the midst of it; and I will destroy the counsel thereof: and they shall seek unto the idols, and to the charmers, and to them that have familiar spirits, and to the wizards.
4 Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
And I will give over the Egyptians into the hand of a cruel lord; and a fierce king shall rule over them, saith the Lord, Jehovah of hosts.
5 Ny rano amin’ ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
And the waters shall fail from the sea, and the river shall be wasted and become dry.
6 Ho maimbo ny sampantsampan’ ny ony; Ary ny lahin-dranon’ i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo;
And the rivers shall become foul; the streams of Egypt shall be diminished and dried up; the reeds and flags shall wither away.
7 Ny tany eny amoron’ i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron’ i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
The meadows by the Nile, by the brink of the Nile, and all the sown fields of the Nile, shall become dry, be driven away, and be no more.
8 Dia hitomany ny mpaka hazandrano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ ny rano.
And the fishers shall lament, and all they that cast angle into the Nile shall mourn, and they that spread nets upon the waters shall languish.
9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ ny fihogo sy izay manenona hariry.
Moreover they that work in combed flax, and they that weave white cloth, shall be confounded.
10 Ny andrin’ ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.
And the pillars [of Egypt] shall be broken in pieces; all they that work for hire [shall be] grieved in soul.
11 Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?
The princes of Zoan are utterly foolish; the counsel of the wisest counsellors of Pharaoh is become brutish: how say ye unto Pharaoh, I am the son of the wise, the son of ancient kings?
12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amin’ i Egypta.
Where then are thy wise men? and let them tell thee now; and let them know what Jehovah of hosts hath purposed concerning Egypt.
13 Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny.
The princes of Zoan are become fools, the princes of Memphis are deceived; they have caused Egypt to go astray, that are the corner-stone of her tribes.
14 Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
Jehovah hath mingled a spirit of perverseness in the midst of her; and they have caused Egypt to go astray in every work thereof, as a drunken man staggereth in his vomit.
15 Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro.
Neither shall there be for Egypt any work, which head or tail, palm-branch or rush, may do.
16 Amin’ izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
In that day shall the Egyptians be like unto women; and they shall tremble and fear because of the shaking of the hand of Jehovah of hosts, which he shaketh over them.
17 Ary ny tanin’ ny Joda dia ho fahatahoran’ i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izay kasainy ny amin’ ny hamelezana azy.
And the land of Judah shall become a terror unto Egypt; every one to whom mention is made thereof shall be afraid, because of the purpose of Jehovah of hosts, which he purposeth against it.
18 Amin’ izany andro izany dia hisy tanana dimy amin’ ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’ i Kanana sy hianiana ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.
In that day there shall be five cities in the land of Egypt that speak the language of Canaan, and swear to Jehovah of hosts; one shall be called The city of destruction.
19 Amin’ izany andro izany dia hisy alitara ho an’ i Jehovah eo amin’ ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’ i Jehovah.
In that day shall there be an altar to Jehovah in the midst of the land of Egypt, and a pillar at the border thereof to Jehovah.
20 Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ao amin’ ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin’ i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
And it shall be for a sign and for a witness unto Jehovah of hosts in the land of Egypt; for they shall cry unto Jehovah because of oppressors, and he will send them a saviour, and a defender, and he will deliver them.
21 Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’ i Jehovah amin’ izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’ i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
And Jehovah shall be known to Egypt, and the Egyptians shall know Jehovah in that day; yea, they shall worship with sacrifice and oblation, and shall vow a vow unto Jehovah, and shall perform it.
22 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’ i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
And Jehovah will smite Egypt, smiting and healing; and they shall return unto Jehovah, and he will be entreated of them, and will heal them.
23 Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.
In that day shall there be a highway out of Egypt to Assyria, and the Assyrian shall come into Egypt, and the Egyptian into Assyria; and the Egyptians shall worship with the Assyrians.
24 Amin’ izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’ i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ ny tany;
In that day shall Israel be the third with Egypt and with Assyria, a blessing in the midst of the earth;
25 Fa hotahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ ny tanako, ary Isiraely lovako.
for that Jehovah of hosts hath blessed them, saying, Blessed be Egypt my people, and Assyria the work of my hands, and Israel mine inheritance.