< Isaia 18 >
1 Indrisy ny tany be fibiziziokan’ elatra! Izay any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia,
Teško zemlji koja sjen èini krilima s one strane rijeka Etiopskih;
2 Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin’ ny ony maro ny taniny.
Koja šalje poslanike preko mora, u laðama od site po vodama, govoreæi: idite, brzi glasnici, k narodu rasijanu i oplijenjenu, k narodu strašnu otkako je dosad, k narodu razmjerenu i pogaženu, kojemu zemlju raznose rijeke.
3 Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
Svi koji živite na svijetu i stanujete na zemlji, kad se digne zastava na gorama, gledajte, i kad zatrubi truba, slušajte.
4 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ ny hainandro fararano.
Jer ovako mi reèe Gospod: umiriæu se i gledaæu iz stana svojega, kao vruæina koja suši poslije dažda i kao rosan oblak o vruæini žetvenoj.
5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
Jer prije berbe, kad napupe pupci i od cvijeta postane grozd i stane zreti, okresaæe odvode kosijerom, i uzeæe lozu i otsjeæi.
6 Dia hafoy avokoa izy ho an’ ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ ny biby eny ambonin’ ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ ny tany handany ririnina any.
Sve æe se ostaviti pticama gorskim i zvijerima zemaljskim; i ptice æe ljetovati na njima, a svakojake zvijeri zemaljske zimovaæe.
7 Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
Tada æe se donijeti dar Gospodu nad vojskama od naroda rasijanoga i oplijenjenoga, od naroda strašnoga otkako je dosad, od naroda razmjerenoga i pogaženoga, kojemu zemlju raznose rijeke, k mjestu imena Gospoda nad vojskama, ka gori Sionskoj.