< Isaia 17 >
1 Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
Abin da Allah ya faɗa game da Damaskus. “Duba, Damaskus ba za tă ƙara zama birni ba amma za tă zama tsibin juji.
2 Efa lao ny tanànan’ i Aroera ka ho an’ ny andian’ ny ondry aman’ osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
Za a watse a bar biranen Arower a bar wa tumaki da shanu, waɗanda za su kwanta, ba tare da wani wanda zai tsorata su ba.
3 Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’ i Syria dia hitovy voninahitra amin’ ny Zanak’ Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Birni mai katanga za tă ɓace daga Efraim, ikon sarauta kuma daga Damaskus; raguwar Aram za tă zama kamar darajar Isra’ila,” in ji Ubangiji Maɗaukaki.
4 Ary amin’ izany andro izany dia hihena ny voninahitr’ i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
“A wannan rana ɗaukakar Yaƙub za tă ƙare; kitsen jikinsa zai lalace.
5 Ary ho tahaka ny fanangon’ ny olona ny vary an-tahony amin’ ny fararano izany, ka tangosan’ ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ ny olona salohim-bary eny amin’ ny lohosahan’ ny Refaïta;
Zai zama kamar sa’ad da mai girbi ya tara hatsin da yake tsaye ya kuma girbe hatsin da hannunsa kamar sa’ad da mutum ya yi kala kawunan hatsi a Kwarin Refayim.
6 Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Duk da haka waɗansu kala za su ragu, sai ka ce sa’ad da an karkaɗe itace zaitun, aka bar’ya’yan zaitun biyu ko uku a can ƙwanƙolin rassan, ko kuma aka bar huɗu ko biyar a rassa na gefe na itace mai’ya’ya,” in ji Ubangiji, Allah na Isra’ila.
7 Amin’ izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ ny Isiraely,
A wannan rana mutane za su nemi Mahaliccinsu su kuma juye idanunsu ga Mai Tsarkin nan na Isra’ila.
8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
Ba za su dubi bagade ba, waɗanda suke aikin hannuwansu, ba za su kuma kula da ginshiƙan Ashera ba da kuma bagadan turaren da yatsotsinsu suka yi.
9 Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
A wannan rana biranensu masu ƙarfi, waɗanda suka bari saboda Isra’ilawa, za su zama kamar wuraren da aka ƙyale suka zama kufai a jeji. Za su kuma zama kango.
10 Fa nanadino an’ Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ ny firenena hafa no nambolenao teo;
Kun manta da Allah Mai Cetonku; ba ku tuna da Dutse, kagararku ba. Saboda haka, ko da yake kun fita ku shuka tsire-tsire mafi kyau kuka kuma shuka inabin da aka sayo daga waje,
11 Tamin’ ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
ko da yake a ranar kun shuka su, kuka sa su yi girma, da safe kuma sa’ad da kuka shuka su, kuka sa suka yi toho suka yi fure, duk da haka girbin ba zai zama kome ba a ranar cuta da zafin da ba ta da magani.
12 Indrisy ny fihahohahon’ ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ ny rano manonja ny firohondrohony!
Kash, ga hayaniyar al’ummai masu yawa suna hayaniya kamar rurin teku! Kash, ga fushin mutane suna ruri kamar rugugi kamar manyan ruwaye!
13 Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ ny tadio.
Ko da yake mutane suna ruri kamar sukuwar raƙuman ruwa, sa’ad da ya tsawata musu za su gudu can da nisa, aka kore su kamar yayinda iska ya hura a kan tuddai, kamar tattake kuma a cikin guguwa.
14 Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
Da yamma, sai razana ba tsammani! Kafin safiya, duk sun ɓace! Wannan ne rabon waɗanda suka washe mu, rabon waɗanda suka yi mana ƙwace.