< Isaia 15 >
1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
Adehu a ɛfa Moab ho: Wɔasɛe Ar a ɛwɔ Moab Da koro anadwo bi, wɔasɛe Kir a ɛwɔ Moab da koro anadwo bi!
2 Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Dibon foro kɔ nʼasɔredan mu, ɔkɔ ne sorɔnsorɔmmea kosu; Moab twa adwo wɔ Nebo ne Medeba ho. Wɔayi eti biara so nwi na abogyesɛ biara nso wɔatwitwa.
3 Eny an-dalambe dia misikìna lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
Wofurafura atweaatam wɔ mmɔnten so; wɔ adan atifi ne ɔman ahyiae wɔn nyinaa retwa adwo, wɔdeda fam na wosu.
4 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
Hesbon ne Eleale teɛ mu su, wɔte wɔn nne kodu Yahas nohɔ. Enti Moab mmarima akofo teɛ mu su, na wɔbotobotow.
5 Ny foko mitaraina noho ny amin’ i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin’ ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
Midi Moab ho awerɛhow wɔ me koma mu; nʼaguanfo guan kodu Soar, ne Eglat Selisiya. Wɔforo kɔ Luhit, wɔrekɔ nyinaa na wɔresu; Horonaim kwan so nso wodi wɔn sɛe ho awerɛhow.
6 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
Nimrim nsuwansuwa ayoyow na sare no ahyew afifide nyinaa ayera na ɛnkaa wura biara a ɛyɛ amono.
7 Ary amin’ izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan’ ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
Enti ahonyade a wɔapɛ agu hɔ no wɔsoa de kotwa mpampuro bon.
8 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’ i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
Wɔn nkekawmu gyigye wɔ Moab ahye so; wɔn agyaadwotwa kodu Eglaim na wɔn abubuwbɔ kodu Beer Elim.
9 Fa ny ranon’ i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’ i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ ny tany.
Dimon nsu ayɛ mogya nko ara nanso mɛkɔ so ne no adi gyata bɛba Moab aguanfo so ne wɔn a wɔbɛka asase no so no so.