< Isaia 15 >

1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
Beszéd Móábról. Bizony éjjel pusztíttatott el Ár-Móáb, megsemmisült; bizony éjjel pusztítatott el Kír-Móáb, megsemmisült.
2 Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Fölment Bájit meg Díbón a magaslatokra sírásra; Nebó fölött és Médeba fölött jajgat Móáb, minden fején kopaszság, minden szakáll levágva.
3 Eny an-dalambe dia misikìna lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
Utcáin zsákot kötöttek föl, háztetőin és piacain mindnyája jajgat, sírásban folyik szét.
4 Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
Kiáltott Chesbón és Eleálé, Jáhaczig hallatszott hangjuk; ezért felriadnak Móáb fegyveresei, lelke megremegett őbenne.
5 Ny foko mitaraina noho ny amin’ i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin’ ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
Szívem Móábért kiált, szökevényei egész Czóarig, Eglat-Selísíjáig; mert Lúchit hágóján sírással mennek fel, mert Chórónájim felé vészkiáltást keltenek.
6 Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
Mert Nimrim vizei puszta helyekké lesznek; mert elszáradt a fű, eltűnt a pázsit, nincs zöld többé.
7 Ary amin’ izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan’ ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
Ezért a vagyont, melyet szereztek, és tulajdonukat a fűzfák patakján viszik át.
8 Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’ i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
Mert körülvette a kiáltás Móáb határát, egész Eglájimig a jajgatása; Beér-Élímig a jajgatása.
9 Fa ny ranon’ i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’ i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ ny tany.
Mert Dímón vizei megteltek vérrel, mert Dímón ellen még többet hozok, Móáb menekült része ellen oroszlánt, meg a föld maradéka ellen.

< Isaia 15 >