< Isaia 12 >

1 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
And in that day thou shalt say, O LORD, I will praise thee: though thou wast angry with me, thy anger is turned away, and thou hast comforted me.
2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
Behold, God [is] my salvation; I will trust, and not be afraid: for the LORD JEHOVAH [is] my strength and [my] song; he also is become my salvation.
3 Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.
Therefore with joy shall ye draw water out of the wells of salvation.
4 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
And in that day shall ye say, Praise the LORD, call upon his name, declare his doings among the people, make mention that his name is exalted.
5 Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.
Sing to the LORD; for he hath done excellent things: this [is] known in all the earth.
6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Cry aloud and shout, thou inhabitant of Zion: for great [is] the Holy One of Israel in the midst of thee.

< Isaia 12 >