< Isaia 11 >
1 Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ ny fakany;
Chipukizi litatokea kutoka shina la Yese, kutoka mizizi yake Tawi litazaa tunda.
2 Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
Roho wa Bwana atakaa juu yake, Roho wa hekima na wa ufahamu, Roho wa shauri na wa uweza, Roho wa maarifa na wa kumcha Bwana
3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ ny sofiny;
naye atafurahia kumcha Bwana. Hatahukumu kwa yale ayaonayo kwa macho yake, wala kuamua kwa yale ayasikiayo kwa masikio yake,
4 Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
bali kwa uadilifu atahukumu wahitaji, kwa haki ataamua wanyenyekevu wa dunia. Ataipiga dunia kwa fimbo ya kinywa chake, kwa pumzi ya midomo yake atawaua waovu.
5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
Haki itakuwa mkanda wake na uaminifu utakuwa mshipi kiunoni mwake.
6 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ ny zanak’ osy; Ary ny zanak’ omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.
Mbwa mwitu ataishi pamoja na mwana-kondoo, naye chui atalala pamoja na mbuzi, ndama, mwana simba na ngʼombe wa mwaka mmoja watakaa pamoja, naye mtoto mdogo atawaongoza.
7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
Ngʼombe na dubu watalisha pamoja, watoto wao watalala pamoja, na simba atakula majani makavu kama maksai.
8 Ny zaza minono hilalao amin’ ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ ny lavaky ny menarana.
Mtoto mchanga atacheza karibu na shimo la nyoka, naye mtoto mdogo ataweka mkono wake kwenye kiota cha fira.
9 Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
Hawatadhuru wala kuharibu juu ya mlima wangu mtakatifu wote, kwa kuwa dunia itajawa na kumjua Bwana kama maji yajazavyo bahari.
10 Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Katika siku hiyo, Shina la Yese atasimama kama bendera kwa ajili ya mataifa. Mataifa yatakusanyika kwake, na mahali pake pa kupumzikia patakuwa utukufu.
11 Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
Katika siku hiyo Bwana atanyoosha mkono wake mara ya pili kurudisha mabaki ya watu wake waliosalia kutoka Ashuru, Misri, Pathrosi, Kushi, Elamu, Babeli, Hamathi na kutoka visiwa vya baharini.
12 Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
Atainua bendera kwa mataifa na kuwakusanya Waisraeli walioko uhamishoni; atawakusanya watu wa Yuda waliotawanyika kutoka pembe nne za dunia.
13 Ary hitsahatra ny fialonan’ i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana’ an i Joda: Efraima tsy hialona an’ i Joda, Ary Joda tsy handrafy an’ i Efraima.
Wivu wa Efraimu utatoweka, na adui wa Yuda watakatiliwa mbali; Efraimu hatamwonea Yuda wivu, wala Yuda hatakuwa na uadui na Efraimu.
14 Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
Watawashukia katika miteremko ya Wafilisti hadi upande wa magharibi, kwa pamoja watawateka watu nyara hadi upande wa mashariki. Watawapiga Edomu na Moabu, na Waamoni watatawaliwa nao.
15 Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin’ ny ony ka hamely azy amin’ ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.
Bwana atakausha ghuba ya bahari ya Misri; kwa upepo mkavu ataupeleka mkono wake juu ya Mto Frati. Ataugawanya katika vijito saba ili watu waweze kuuvuka wakiwa wamevaa viatu.
16 Ary hisy lalana voavoatra halehan’ ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ ny Isiraely tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
Itakuwepo njia kuu kwa mabaki ya watu wake wale waliosalia kutoka Ashuru, kama ilivyokuwa kwa Israeli walipopanda kutoka Misri.