< Hosea 9 >

1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
Usifurahie, ee Israeli; usishangilie kama mataifa mengine. Kwa kuwa hukuwa mwaminifu kwa Mungu wako; umependa ujira wa kahaba kwenye kila sakafu ya kupuria nafaka.
2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
Sakafu za kupuria nafaka na mashinikizo ya kukamulia divai havitalisha watu, divai mpya itawapungukia.
3 Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
Hawataishi katika nchi ya Bwana, Efraimu atarudi Misri na atakula chakula kilicho najisi huko Ashuru.
4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah.
Hawatammiminia Bwana sadaka ya divai wala dhabihu zao hazitampendeza. Dhabihu kama hizo zitakuwa kwao kama mkate wa waombolezaji; nao wote wazilao watakuwa najisi. Chakula hiki kitakuwa kwa ajili yao wenyewe; kisije katika Hekalu la Bwana.
5 Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah?
Mtafanya nini katika siku ya sikukuu zenu zilizoamriwa, katika siku za sikukuu za Bwana?
6 Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
Hata ikiwa wataokoka maangamizi, Misri atawakusanya, nayo Memfisi itawazika. Hazina zao za fedha zitasongwa na michongoma, nayo miiba itafunika mahema yao.
7 Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.
Siku za adhabu zinakuja, siku za malipo zimewadia. Israeli na afahamu hili. Kwa sababu dhambi zenu ni nyingi sana na uadui wenu ni mkubwa sana, nabii anadhaniwa ni mpumbavu, mtu aliyeongozwa na Mungu anaonekana mwendawazimu.
8 Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny.
Nabii, pamoja na Mungu wangu, ndiye mlinzi juu ya Efraimu, hata hivyo mitego inamngojea katika mapito yake yote, na uadui katika nyumba ya Mungu wake.
9 Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
Wamezama sana katika rushwa, kama katika siku za Gibea. Mungu atakumbuka uovu wao na kuwaadhibu kwa ajili ya dhambi zao.
10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
“Nilipompata Israeli, ilikuwa kama kupata zabibu jangwani; nilipowaona baba zenu, ilikuwa kama kuona matunda ya kwanza katika mtini. Lakini walipofika Baal-Peori, walijiweka wakfu kwa ile sanamu ya aibu, nao wakawa najisi kama kitu kile walichokipenda.
11 Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
Utukufu wa Efraimu utaruka kama ndege: hakuna kuzaa, hakuna kuchukua mimba, hakuna kutunga mimba.
12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
Hata wakilea watoto, nitamuua kila mmoja. Ole wao nitakapowapiga kisogo!
13 Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy.
Nimemwona Efraimu, kama Tiro, aliyeoteshwa mahali pazuri. Lakini Efraimu wataleta watoto wao kwa mchinjaji.”
14 Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
Wape, Ee Bwana, je, utawapa nini? Wape matumbo ya kuharibu mimba na matiti yaliyokauka.
15 Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
“Kwa sababu ya uovu wao wote huko Gilgali, niliwachukia huko. Kwa sababu ya matendo yao ya dhambi, nitawafukuza katika nyumba yangu. Sitawapenda tena, viongozi wao wote ni waasi.
16 Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
Efraimu ameharibiwa, mzizi wao umenyauka, hawazai tunda. Hata kama watazaa watoto, nitawachinja watoto wao waliotunzwa vizuri.”
17 Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy.
Mungu wangu atawakataa kwa sababu hawakumtii; watakuwa watu wa kutangatanga miongoni mwa mataifa.

< Hosea 9 >