< Hosea 8 >

1 Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
Tia kelelo na monoko na yo! Lokola mpongo, pasi ekokitela Ndako ya Yawe, mpo ete babebisi boyokani na Ngai mpe batombokeli Mobeko na Ngai.
2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
Isalaele azali kobelela Ngai: « Oh Nzambe na biso, toyebi Yo! »
3 Ataon’ ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
Kasi Isalaele abwaki makambo malamu; yango wana, monguna akolanda ye.
4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
Batunaki Ngai te tango batiaki bakonzi mpe baponaki bakambi. Bamisalelaki banzambe ya bikeko na palata mpe na wolo na bango mpo na libebi na bango moko.
5 Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?
Oh Samari, nzambe na yo ya ekeko ya mwana ngombe ya mobali ezali nkele! Kanda na Ngai epeli mpo na kobebisa bango. Kino tango nini bakokoka te kotambola na bopeto?
6 Fa avy tamin’ ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’ i Samaria.
Ewuti na Isalaele! Ekeko wana ya mwana ngombe ya mobali, ezali monyangwisi bibende na moto nde asala yango; ezali Nzambe te. Bakobuka yango biteni-biteni, mwana ngombe wana ya Samari.
7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
« Lokola baloni mopepe, bakobuka mopepe ya makasi. Nzete ya ble oyo ezanga moto ebimisaka farine te. Ezala soki ebimisi mito, ezali bapaya nde bakolia yango.
8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ ny jentilisa.
Isalaele abebisami; tala bango wana kati na bikolo, bazali komonana lokola biloko pamba!
9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny
Pamba te bakendeki na Asiri lokola ane ya zamba oyo ezali kotelengana yango moko. Efrayimi apesaki bakado epai ya bamakangu na ye.
10 Ary na dia nanangy tany amin’ ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ ny mpanjakan’ ireo mpanapaka.
Ata apesaki bakado kati na bikolo, sik’oyo Ngai nakosangisa bango esika moko mpe bakobanda kosila kokufa na se ya minyoko ya mokonzi moko ya nguya.
11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
Ata Efrayimi atongi bitumbelo ebele mpo na kolongola masumu na ye, kasi bitumbelo yango ekomemisa ye kaka masumu.
12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
Nakomelaki bango makambo ebele ya Mobeko na Ngai, kasi bamonaki yango lokola eloko moko ya mopaya.
13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
Bazali kobonza bambeka lokola likabo mpo na Ngai, mpe bazali kolia misuni; kasi Yawe azali kosepela na bango te. Sik’oyo, akokanisa mabe na bango mpe akopesa bango etumbu mpo na masumu na bango: bakozonga na Ejipito.
14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny.
Isalaele abosani Mokeli na ye mpe atongi bandako ya kitoko; Yuda atongi bingumba ebele batonga makasi; kasi Ngai nakotinda moto kati na bingumba na bango, mpe ekotumba bandako na bango ya kitoko. »

< Hosea 8 >