< Hosea 6 >
1 Andeha hiverina ho amin’ i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
“Bwerani, tiyeni tibwerere kwa Yehova. Iye watikhadzula, koma adzatichiritsa. Iye wativulaza, koma adzamanga mabala athu.
2 Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
Pakapita masiku awiri adzatitsitsimutsa; pa tsiku lachitatu Iye adzatiukitsa kuti tikhale ndi moyo pamaso pake.
3 Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
Tiyeni timudziwe Yehova, tiyeni tilimbike kumudziwa Iye. Adzabwera kwa ife mosakayikira konse ngati kutuluka kwa dzuwa; adzabwera kwa ife ngati mvula ya mʼchilimwe, ngati mvula ya nthawi yamphukira imene imakhathamiritsa nthaka.”
4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
Iwe Efereimu, kodi ndichite nawe chiyani? Kodi ndichite nawe chiyani, iwe Yuda? Chikondi chanu chili ngati nkhungu yammawa, ngati mame a mmamawa amene amakamuka msanga.
5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin’ ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
Choncho ndakuwazani ngati nkhuni kudzera mwa aneneri anga, ndakuphani ndi mawu a pakamwa panga; chigamulo changa chinangʼanima ngati mphenzi pa inu.
6 Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
Pakuti Ine ndimafuna chifundo osati nsembe, ndi kudziwa Mulungu kulekana ndi nsembe zopsereza.
7 Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’ i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
Monga Adamu, anthuwa aphwanya pangano langa, iwo sanakhulupirike kwa Ine.
8 Gileada dia tanànan’ ny mpanao ratsy sady voaloton’ ny rà.
Giliyadi ndi mzinda wa anthu ochita zoyipa, okhala ndi zizindikiro za kuphana.
9 Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban’ ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
Monga momwe mbala zimadikirira anthu, magulu a ansembe amachitanso motero; iwo amapha anthu pa njira yopita ku Sekemu, kupalamula milandu yochititsa manyazi.
10 Tao amin’ ny taranak’ Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan’ i Efraima, voaloto Isiraely.
Ndaona chinthu choopsa kwambiri mʼnyumba ya Israeli. Kumeneko Efereimu akuchita zachiwerewere, ndipo Israeli wadzidetsa.
11 Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin’ ny fahababoana ny oloko.
“Kunenanso za iwe Yuda, udzakolola chilango. “Pamene ndiwabwezere anthu anga zinthu zabwino.”