< Hosea 5 >

1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
“Sikieni hili, enyi makuhani! Kuweni wasikivu, enyi Waisraeli! Sikieni, ee nyumba ya mfalme! Hukumu hii ni dhidi yenu: Mmekuwa mtego huko Mispa, wavu uliotandwa juu ya Tabori.
2 Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
Waasi wamezidisha sana mauaji. Mimi nitawatiisha wote.
3 Izaho mahalala an’ i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
Ninajua yote kuhusu Efraimu, Israeli hukufichika kwangu. Efraimu, sasa umegeukia ukahaba, Israeli amenajisika.
4 Tsy avelan’ ny ataony hiverina amin’ Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
“Matendo yao hayawaachii kurudi kwa Mungu wao. Roho ya ukahaba imo ndani ya mioyo yao, hawamkubali Bwana.
5 Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
Kiburi cha Israeli kinashuhudia dhidi yao; Waisraeli, hata Efraimu, wanajikwaa katika dhambi zao; pia Yuda atajikwaa pamoja nao.
6 Hitondra ny ombiny aman’ ondriny izy ka handeha hitady an’ i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
Wakati wanapokwenda na makundi yao ya kondoo na ngʼombe kumtafuta Bwana, hawatampata; yeye amejiondoa kutoka kwao.
7 Nivadika tamin’ i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ ny voaloham-bolana izy mbamin’ ny zara-lovany.
Wao si waaminifu kwa Bwana; wamezaa watoto haramu. Sasa sikukuu zao za Mwandamo wa Mwezi zitawaangamiza wao pamoja na mashamba yao.
8 Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
“Pigeni tarumbeta huko Gibea, baragumu huko Rama. Paza kilio cha vita huko Beth-Aveni, ongoza, ee Benyamini.
9 Ho lao Efraima, raha mby amin’ ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin’ ny firenen’ Isiraely.
Efraimu ataachwa ukiwa katika siku ya kuadhibiwa. Miongoni mwa makabila ya Israeli ninatangaza lile ambalo halina budi kutukia.
10 Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
Viongozi wa Yuda ni kama wale wanaosogeza mawe ya mpaka. Nitamwaga ghadhabu yangu juu yao kama mafuriko ya maji.
11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’ olombelona izy,
Efraimu ameonewa, amekanyagwa katika hukumu kwa kuwa amekusudia kufuatia sanamu.
12 Koa amin’ i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin’ ny taranak’ i Joda dia toy ny fositra.
Mimi ni kama nondo kwa Efraimu, na kama uozo kwa watu wa Yuda.
13 Rehefa hitan’ i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin’ ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin’ i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
“Wakati Efraimu alipoona ugonjwa wake, naye Yuda vidonda vyake, ndipo Efraimu alipogeukia Ashuru, na kuomba msaada kwa mfalme mkuu. Lakini hawezi kukuponya, wala hawezi kukuponya vidonda vyako.
14 Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
Kwa maana nitakuwa kama simba kwa Efraimu, kama simba mkubwa kwa Yuda. Nitawararua vipande vipande na kuondoka; nitawachukua mbali, na hakuna wa kuwaokoa.
15 Handeha hody any amin’ ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
Kisha nitarudi mahali pangu mpaka watakapokubali kosa lao. Nao watautafuta uso wangu; katika taabu yao watanitafuta kwa bidii.”

< Hosea 5 >