< Hosea 5 >
1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’ Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
Audite hoc sacerdotes, et attendite domus Israel, et domus regis auscultate: quia vobis iudicium est, quoniam laqueus facti estis speculationi, et sicut rete expansum super Thabor.
2 Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.
Et victimas declinastis in profundum: et ego eruditor omnium eorum.
3 Izaho mahalala an’ i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
Ego scio Ephraim, et Israel non est absconditus a me: quia nunc fornicatus est Ephraim, contaminatus est Israel.
4 Tsy avelan’ ny ataony hiverina amin’ Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.
Non dabunt cogitationes suas ut revertantur ad Deum suum: quia spiritus fornicationum in medio eorum, et Dominum non cognoverunt.
5 Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
Et respondebit arrogantia Israel in facie eius: et Israel, et Ephraim ruent in iniquitate sua, ruet etiam Iuda cum eis.
6 Hitondra ny ombiny aman’ ondriny izy ka handeha hitady an’ i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
In gregibus suis, et in armentis suis vadent ad quaerendum Dominum, et non invenient: ablatus est ab eis.
7 Nivadika tamin’ i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ ny voaloham-bolana izy mbamin’ ny zara-lovany.
In Dominum praevaricati sunt, quia filios alienos genuerunt: nunc devorabit eos mensis cum partibus suis.
8 Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
Clangite buccina in Gabaa, tuba in Rama: ululate in Bethaven, post tergum tuum Beniamin.
9 Ho lao Efraima, raha mby amin’ ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin’ ny firenen’ Isiraely.
Ephraim in desolatione erit in die correptionis: in tribubus Israel ostendi fidem.
10 Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
Facti sunt principes Iuda quasi assumentes terminum: super eos effundam quasi aquam iram meam.
11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’ olombelona izy,
Calumniam patiens est Ephraim, fractus iudicio: quoniam coepit abire post sordes.
12 Koa amin’ i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin’ ny taranak’ i Joda dia toy ny fositra.
Et ego quasi tinea Ephraim: et quasi putredo domui Iuda.
13 Rehefa hitan’ i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin’ ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin’ i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.
Et vidit Ephraim languorem suum, et Iuda vinculum suum: et abiit Ephraim ad Assur, et misit ad regem Ultorem: et ipse non poterit sanare vos, nec solvere poterit a vobis vinculum.
14 Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
Quoniam ego quasi leaena Ephraim, et quasi catulus leonis domui Iuda: ego ego capiam, et vadam: tollam, et non est qui eruat.
15 Handeha hody any amin’ ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
Vadens revertar ad locum meum: donec deficiatis, et quaeratis faciem meam.