< Hosea 14 >

1 Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
Israeli, rudi kwa Bwana, Mungu wako, kwa kuwa umeanguka kwa sababu ya uovu wako.
2 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’ i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.
Chukueni maneno pamoja nanyi na mrudieni Yahweh. Mwambieni, “Ondoa uovu wetu wote, uyakubali mema, ili tuweze kukupa matunda ya midomo yetu.
3 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po.
Ashuru haitatuokoa; hatutapanda farasi kwenda vitani. Hatuwezi tena kuiambia kazi ya mikono yetu, 'ninyi ni miungu yetu,' kwa maana kwako mtu asiye na baba hupata huruma.”
4 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
'Nitawaponya kugeuka kwao; Nami nitawapenda kwa moyo, kwa maana hasira yangu itaondoka kwake.
5 Ho tahaka ny ando Aho amin’ ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’ i Libanona.
Nitakuwa kama umande kwa Israeli; atachanua kama maua na kuchukua mizizi kama mwerezi nchini Lebanoni.
6 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’ i Libanona ny hanitra avy aminy.
Matawi yake yataenea; Uzuri wake utakuwa kama mizeituni, na harufu yake kama mierezi ya Lebanoni.
7 Izay mipetraka ao ambanin’ ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ ny divay avy any Libanona.
Watu wanaoishi katika kivuli chake watarejea; watafufuliwa kama nafaka na maua kama mizabibu. Utukufu wake utakuwa kama divai ya Lebanoni.
8 Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Efraimu, nifanye nini tena na sanamu? Mimi nitamjibu na kumtunza. Mimi ni kama mberoshi majani yake ni ya kijani daima; kutoka kwangu huja matunda yako.”
9 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’ i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
Nani mwenye busara ili aelewe mambo haya? Nani anaelewa mambo haya ili awatambue? Kwa kuwa njia za Bwana ni sawa, na wenye haki watatembea ndani yao, lakini waasi wataanguka ndani yake.

< Hosea 14 >