< Hosea 10 >

1 Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
Israeli alikuwa mzabibu uliostawi sana, alijizalia matunda mwenyewe. Kadiri matunda yake yalivyoongezeka, alijenga madhabahu zaidi; kadiri nchi yake ilivyostawi, alipamba mawe yake ya ibada.
2 Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
Moyo wao ni mdanganyifu, nao sasa lazima wachukue hatia yao. Bwana atabomoa madhabahu zao na kuharibu mawe yao ya ibada.
3 Amin’ izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
Kisha watasema, “Hatuna mfalme kwa sababu hatukumheshimu Bwana. Lakini hata kama tungelikuwa na mfalme, angeweza kutufanyia nini?”
4 Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
Wanaweka ahadi nyingi, huapa viapo vya uongo wanapofanya mapatano; kwa hiyo mashtaka huchipuka kama magugu ya sumu katika shamba lililolimwa.
5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
Watu wanaoishi Samaria huogopa kwa ajili ya sanamu ya ndama ya Beth-Aveni. Watu wake wataiombolezea, vivyo hivyo kuhani wake wa kuabudu sanamu, wale waliokuwa wamefurahia fahari yake, kwa sababu itaondolewa kutoka kwao kwenda uhamishoni.
6 Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’ i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
Itachukuliwa kwenda Ashuru kama ushuru kwa mfalme mkuu. Efraimu atafedheheshwa; Israeli ataaibika kwa ajili ya sanamu zake za mti.
7 Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ ny rano.
Samaria na mfalme wake wataelea kama kijiti juu ya uso wa maji.
8 Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’ Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
Mahali pa kuabudia sanamu pa uovu pataharibiwa: ndiyo dhambi ya Israeli. Miiba na mibaruti itaota na kufunika madhabahu zao. Kisha wataiambia milima, “Tufunikeni!” na vilima, “Tuangukieni!”
9 Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
“Tangu siku za Gibea, mmetenda dhambi, ee Israeli, huko ndiko mlikobaki. Je, vita havikuwapata watenda mabaya huko Gibea?
10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
Wakati nitakapopenda, nitawaadhibu; mataifa yatakusanywa dhidi yao ili kuwaweka katika vifungo kwa ajili ya dhambi zao mbili.
11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
Efraimu ni mtamba wa ngʼombe aliyefundishwa ambaye hupenda kupura, hivyo nitamfunga nira juu ya shingo yake nzuri. Nitamwendesha Efraimu, Yuda lazima alime, naye Yakobo lazima avunjavunje mabonge ya udongo.
12 Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Jipandieni wenyewe haki, vuneni matunda ya upendo usio na kikomo, vunjeni ardhi yenu isiyolimwa; kwa kuwa ni wakati wa kumtafuta Bwana, mpaka atakapokuja na kuwanyeshea juu yenu haki.
13 Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ ny alehanareo sy ny habetsahan’ ny lehilahy maherinareo ianareo.
Lakini mmepanda uovu, mkavuna ubaya, mmekula tunda la udanganyifu. Kwa sababu mmetegemea nguvu zenu wenyewe na wingi wa mashujaa wenu,
14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan’ i Salamana an’ i Bet-arbela tamin’ ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ ny zanany.
mngurumo wa vita utainuka dhidi ya watu wako, ili kwamba ngome zako zote zitaharibiwa: kama Shalmani alivyoharibu Beth-Arbeli katika siku ile ya vita, wakati mama pamoja na watoto wao walipotupwa kwa nguvu ardhini.
15 Toy izany no hataon’ i Betela aminareo, noho ny haben’ ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Ndivyo itakavyotokea kwako, ee Betheli, kwa sababu uovu wako ni mkuu. Siku ile itakapopambazuka, mfalme wa Israeli ataharibiwa kabisa.

< Hosea 10 >