< Hosea 10 >

1 Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
イスラエルは実を結ぶ茂ったぶどうの木である。その実を多く結ぶにしたがって、祭壇を増し、その地の豊かなるにしたがって、柱の像を麗しくした。
2 Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
彼らの心は偽りである。今、彼らはその罪を負わなければならない。主はその祭壇をこわし、その柱の像を砕かれる。
3 Amin’ izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
今、彼らは言う、「われわれは主を恐れないので、われわれには王がない。王はわれわれのために何をなしえようか」と。
4 Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
彼らはむなしき言葉をいだし、偽りの誓いをもって契約を結ぶ。それゆえ、さばきは畑のうねの毒草のように現れる。
5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
サマリヤの住民は、ベテアベンの子牛のためにおののき、その民はこれがために嘆き、その偶像に仕える祭司たちは、その栄光のうせたるがために泣き悲しむ。
6 Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’ i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
その子牛はアッスリヤに携えられ、礼物として大王にささげられ、エフライムは恥をうけ、イスラエルはおのれの偶像を恥じる。
7 Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ ny rano.
サマリヤの王は、水のおもての木切れのように滅ぼされる。
8 Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’ Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
イスラエルの罪であるアベンの高き所も滅び、いばらとあざみがその祭壇の上にはえ茂る。その時彼らは山に向かって、「われわれをおおえ」と言い、丘に向かって「われわれの上に倒れよ」と言う。
9 Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
イスラエルよ、あなたはギベアの日からこのかた罪を犯した。彼らはその所に立っていた。戦いはギベアにおる彼らに及ばないであろうか。
10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
わたしは来てよこしまな民を攻め、これを懲らしめる。彼らがその二つの罪のために懲しめられるとき、もろもろの民は集まって彼らを攻める。
11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
エフライムはならされた若い雌牛であって、穀物を踏むことを好む。わたしはその麗しい首を惜しんだ。しかし、わたしはエフライムにくびきをかける。ユダは耕し、ヤコブは自分のために、まぐわをひかねばならない。
12 Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
あなたがたは自分のために正義をまき、いつくしみの実を刈り取り、あなたがたの新田を耕せ。今は主を求むべき時である。主は来て救いを雨のように、あなたがたに降りそそがれる。
13 Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ ny alehanareo sy ny habetsahan’ ny lehilahy maherinareo ianareo.
あなたがたは悪を耕し、不義を刈りおさめ、偽りの実を食べた。これはあなたがたが自分の戦車を頼み、勇士の多いことを頼んだためである。
14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan’ i Salamana an’ i Bet-arbela tamin’ ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ ny zanany.
それゆえ、あなたがたの民の中にいくさの騒ぎが起り、シャルマンが戦いの日にベテ・アルベルを打ち破ったように、あなたがたの城はことごとく打ち破られる。母らはその子らと共に打ち砕かれた。
15 Toy izany no hataon’ i Betela aminareo, noho ny haben’ ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ ny Isiraely.
イスラエルの家よ、あなたがたの大いなる悪のゆえに、このように、あなたがたにも行われ、イスラエルの王は、あらしの中に全く滅ぼされる。

< Hosea 10 >