< Hosea 1 >
1 Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
Hili ni neno la Bwana lililofika kwa Hosea mwana wa Beeri siku za Uzia, Yothamu, Ahazi na Hezekia, wafalme wa Yuda, na katika siku za Yeroboamu mwana wa Yoashi, mfalme wa Israeli.
2 Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
Wakati Bwana alipozungumza kwanza kupitia Hosea, akamwambia, “Nenda ukajitwalie mke ambaye ni kahaba. Atakuwa na watoto ambao ni matokeo ya ukahaba wake. Kwa maana nchi inafanya uzinzi mkubwa kwa kumwacha Bwana.”
3 Dia lasa izy naka an’ i Gomera, zanakavavin’ i Diblaima; ary dia nanan’ anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
Basi Hosea akaenda akamwoa Gomeri binti Diblaimu, naye akachukua mimba, akazaa mtoti mwanamume.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.
Bwana akamwambia Hosea, Mwite jina lake Yezreeli. Kwa maana kwa muda mfupi nitaiadhibu nyumba ya Yehu kwa sababu ya kumwaga damu huko Yezreeli; nami nitamaliza ufalme wa nyumba ya Israeli.
5 Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.
Itatokea siku ile nitakapovunja upinde wa Israeli katika bonde la Yezreeli.
6 Ary nanan’ anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ ny taranak’ Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
Gomeri akachukua mimba tena akamzaa binti. Ndipo Bwana akamwambia Hosea, “Mwite jina lake Lo Ruhama; kwa maana sitawahurumia tena nyumba ya Israeli, nisije nikawasamehe kwa njia yoyote.
7 Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.
Hata hivyo nitawahurumia nyumba ya Yuda, nami nitawaokoa mwenyewe, Bwana, Mungu wao. Sitawaokoa kwa upinde, upanga, vita, farasi, au wapanda farasi. '
8 Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.
Baada ya Gomeri kumwachisha Lo Ruhama, alipata mimba na kuzaa mtoto mwingine mwanamume.
9 Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
Ndipo Bwana akasema, “Mwite jina la Lo Ami; kwa kuwa ninyi si watu wangu, wala mimi si Mungu wenu.”
10 Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona ianareo.
Hata hivyo idadi ya watu wa Israeli itakuwa kama mchanga wa bahari, ambayo haiwezi kupimwa au kuhesabiwa. Itakuwa pale ambapo waliambiwa, “Ninyi si watu wangu,” wataambiwa, “Ninyi ni watu wa Mungu aliye hai.”
11 Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.
Watu wa Yuda na watu wa Israeli watakusanyika pamoja. Wao wataweka kiongozi mmoja wao wenyewe, na watatoka kutoka nchi, kwa maana itakuwa siku ya Yezreeli kuu.