< Hosea 1 >

1 Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
Niheo amy Hosea ana’ i Bierý ty tsara’ Iehovà faha’ i Ozià naho Iotame naho i Akhaze naho Khizkiia mpanjaka Iehodà, vaho Iarobàme ana’ Ioàse, mpanjaka’ Israele.
2 Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
Ie namotsotse nitsara amy Hosea t’Iehovà, le hoe t’Iehovà amy Hosea, Akia mañengà karapilo ho vali’o, ty anak’ ampela boak’ an-kàrapiloañe ao; fa toe mpanao hakarapiloan-kalalijake naho miamboho am’ Iehovà o taneo.
3 Dia lasa izy naka an’ i Gomera, zanakavavin’ i Diblaima; ary dia nanan’ anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
Aa le nimb’eo re nañenga i Gomere, ana’ i Diblaime, le niaren-dre vaho nisamaha’e anadahy.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.
Le hoe t’Iehovà ama’e, Toñono ty hoe Iezreèle ty añara’e; fa tsy ho ela te havaleko ami’ty anjomba’ Iehò ty lio’ Iezreèle, vaho hagàdoko ty fifehean’ anjomba’ Israele.
5 Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.
Ie amy andro zay, ho pozaheko ty fale’ Israele am-bavatane’ Iezreèle ao.
6 Ary nanan’ anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ ny taranak’ Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
Niareñe indraike re nahatoly anak’ ampela, le hoe re tama’e, Toñono ty hoe Lorokamà ty añara’e: fa tsy ho ferenaiñako ka ty anjomba’ Israele, toe tsy iheveako.
7 Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.
Fe ho tretrezeko ty anjomba’ Iehodà le ho rombaheko añam’ Iehovà Andrianañahare’ iareoy, fa tsy ho rombaheko am-pale ndra fibara ndra hotakotake ndra soavala ndra mpiningi-tsoavala.
8 Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.
Aa ie notañe’e t’i Lorokamà, le niareñe indraike nisamak’ anadahy.
9 Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
Le hoe re, Toñono ty hoe Loamý fa tsy ondatiko nahareo vaho tsy ho Andrianañahare’ areo iraho.
10 Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona ianareo.
Fe mbe ho mira amo fasen-driakeo ty ia’ o ana’ Israeleo, ze tsy ho mete zeheñe ndra iaheñe; ie amy zay, amy tane nanoañe ama’ areo te Tsy ondatiko nahareoy, ty hafetse am’ iereo te Anan’ Añahare Veloñe.
11 Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.
Le hifanontoñe o ana’ Iehodào naho o ana’ Israeleo, naho ho tendrè’ iareo ty mpiaolo raike ho a iareo, vaho hitombo an-tane eo: fa jabajaba ty andro’ Iezreèle.

< Hosea 1 >