< Hebreo 9 >
1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masìna momba ny etỳ an-tany.
Мав же і перший заповіт постанови богослужби та земну святиню.
2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe “ny fitoerana masìna”, izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
Була́ бо уряджена перша скинія, яка зветься „Святе“, а в ній був світильни́к, і стіл, і жертовні хліби.
3 Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe “ny fitoerana masìna indrindra,”
А за другою засло́ною скинія, що зветься „Святе́ Святих“.
4 izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
Мала вона золоту кадильницю й ковче́га заповіту, усюди обку́того золотом, а в нім золота посу́дина з ма́нною, і розцві́ле жезло́ Ааро́нове та табли́ці заповіту.
5 ary teo ambonin’ io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, ― tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
А над ним херуви́ми слави, що затінювали престола благодаті, про що говорити докладно тепер не потрібно.
6 Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
При такому ж уря́дженні до першої скинії вхо́дили за́вжди священики, пра́влячи служби Богові,
7 Fa ny faharoa kosa no idiran’ ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ ny olona amin’ ny tsi-fahalalana;
а до другої раз на рік сам первосвященик, не без крови, яку він прино́сить за себе й за лю́дські провини.
8 koa izany no anambaran’ ny Fanahy Masìna fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ ny fitoerana masìna indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
Святий Дух виявляє оцим, що ще не відкрита дорога в святиню, коли ще стоїть перша скинія.
9 fanoharana izany amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ ny fieritreretana
Вона образ для ча́су теперішнього, за якого прино́сяться да́ри та жертви, що того не можуть вдоскона́лити, щодо сумління того, хто служить,
10 (fa naman’ ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ ny andro fanovana.
що тільки в потравах та в напо́ях, та в різних обмива́ннях, в уставах тілесних, — установлено їх аж до ча́су направи.
11 Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan’ izao zavatra ary izao,
Але́ Христос, Первосвященик майбутнього доброго, прийшов із більшою й досконалішою скинією, нерукотво́рною, цебто не цього втво́рення,
12 ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay. (aiōnios )
і не з кров'ю козлів та телят, але з власною кров'ю увійшов до святині один раз, та й набу́в вічне відку́плення. (aiōnios )
13 Fa raha ny ran’ osilahy sy ny ran’ ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ ombivavy afafy amin’ izay voaloto no manamasìna hatramin’ ny fanadiovana ny nofo,
Бо коли кров козлів та телят та попіл із я́лівок, як покро́пить нечистих, освячує їх на очи́щення тіла,
14 mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona. (aiōnios )
скільки ж більш кров Христа, що Себе непорочного Богу приніс Вічним Духом, очистить наше сумління від мертвих учинків, щоб служити нам Богові Живому! (aiōnios )
15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ ny fahotana natao tamin’ ny fanekena voalohany, mba hahazoan’ izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. (aiōnios )
Тому Він — Посере́дник Ново́го Заповіту, щоб через смерть, — що була́ для відку́плення від пере́ступів, учинених за першого заповіту, — покликані прийняли́ обі́тницю вічного спа́дку. (aiōnios )
16 Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy.
Бо де заповіт, там має відбутися смерть заповітника,
17 Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.
заповіт бо важливий по мертвих, бо нічого не варт він, як живе заповітник.
18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
Тому й перший заповіт освячений був не без крови:
19 Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Коли бо Мойсей сповістив усі заповіді за Зако́ном усьому наро́дові, він узяв кров козлів та телят із водою й червоною вовною та з ісопом, та й покропив і саму оту книгу, і людей,
20 dia hoy izy; Ity no ran’ ny fanekena izay nandidian’ Andriamanitra anareo.
проказуючи: „Це кров заповіту, що його наказав для вас Бог!“
21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
Так само і скинію, і ввесь по́суд служебний покропи́в він кров'ю.
22 Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
І майже все за Зако́ном кров'ю очищується, а без пролиття́ крови немає відпу́щення.
23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny.
Отож, треба було́, щоб образи небесного очищалися цими, а небесне саме кращими від оцих же́ртвами.
24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masìna nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masìna, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
Бо Христос увійшов не в рукотво́рну святиню, що була на взір правдивої, але в саме небо, щоб з'явитись тепер перед Божим лицем за нас,
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ ny fitoerana masìna isan-taona mitondra ny ran’ ny zavatra hafa;
і не тому́, щоб часто прино́сити в жертву Себе, як первосвященик входить у святиню кожнорічно з кров'ю чужою,
26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’ izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin’ ny nanaterany ny tenany. (aiōn )
бо інакше Він мусів би часто страждати ще від закла́дин світу, а тепер Він з'явився один раз на схи́лку віків, щоб власною жертвою знищити гріх. (aiōn )
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
І як лю́дям призна́чено вмерти один раз, потім же суд,
28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.
так і Христос один раз був у жертву прине́сений, щоб „поне́сти гріхи багатьох“, і не в справі гріха другий раз з'явитися тим, хто чекає Його на спасі́ння.