< Hebreo 9 >

1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masìna momba ny etỳ an-tany.
Su lipatanu lya kwanja liweriti na ntambu zyakuwi zya kuguwira na pahala pananagala pa pasipanu.
2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe “ny fitoerana masìna”, izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
Lipamanda linyawitwi vyumba viwili, mshumba sha kwanja paweriti na shombu sha kutulira vikoloboyi na paweriti shintambi na mabumunda yagatulitwi palongolu pa Mlungu, pahala palii pashemitwi Pahala Pananagala Nentu.
3 Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe “ny fitoerana masìna indrindra,”
Pamberi pa lipaziya lya pili, paweriti na lipamanda lyalishemitwi Pananagala Nentu.
4 izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
Amu muweriti na shitalawanda sha zahabu pakutumiziya ubani. Muweriti na lisanduku lya lipatanu, lyeni liweriti walityeremeka zahabu wega zoseri na mngati mwakuwi mweriti na shiwiga sha zahabu shashiweriti na shiboga shashishemitwi mana na luhonga lwa Aruni. Luhonga ali luweriti lutomola mahamba na muweriti na mabuwi ga lipatanu.
5 ary teo ambonin’ io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, ― tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
Panani pa ali lisanduku paweriti na vinyagu vya viumbi viwili vyaviwera na mpapatiru zyaziwera na ukwisa wa Mlungu, na mpapatiru zyawu zigubikiriti pahala palii wantu pawalaviyiti tambiku zya kuwusiya vidoda. Hapeni tuwezi kuvitakulira vitwatira avi vyoseri ntambu yaviwera.
6 Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
Vitwatira avi vitendikiti, shakapanu iwera shitiba kwa watambika kwingira kila mala pashumba sha kwanja mulipamanda kutenda lihengu lyawu lya utambika.
7 Fa ny faharoa kosa no idiran’ ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ ny olona amin’ ny tsi-fahalalana;
Kumbiti Mtambika Mkulu gweka yakuwi ndo yakingira mulipamanda lya pili na yomberi katenda hangu mala yimu kwa shinja na katola mwazi kamlavilira Mlungu kwajili yakuwi mweni na kwajili ya vidoda vya wantu, yawavitenditi pota kuvimana.
8 koa izany no anambaran’ ny Fanahy Masìna fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ ny fitoerana masìna indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
Kulawirana na manyawiru aga Rohu Mnanagala kankufunda pota kufifa handa njira ya kwingira pahala pananagala nentu pa kumpindi hapeni kuvugulwi shipindi shoseri pahala pa lipamanda lya kwanja lyankali lyankugoloka.
9 fanoharana izany amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ ny fieritreretana
Shitwatira ashi ndo mfanu gwa shipindi shashiwera vinu, shilanguziya kuwera matambiku na malaviwu vilaviwa, kumbiti ziweza ndiri kuzitenda nfiru zya yawaguwira kuwera pota na likosa,
10 (fa naman’ ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ ny andro fanovana.
vitwatira avi vyankuvitakulira viboga na vyakulanda na ntambu zivuwa za kupunga, goseri aga ndo malagaliru ga umuntu hera, na likakala lyakuwi lyoya shipindi Mlungu pakatula weri vintu vyoseri musyayi.
11 Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan’ izao zavatra ary izao,
Kumbiti Kristu kawera Mtambika Mkulu gwa vitwatira vyaviwera viheri, vinu visoka kala. Yomberi kingiriti mulipamanda lyaliwera liherepa nentu na liwera nakaka, lyalinyawa ndiri kwa mawoku ga wantu, su liwera ndiri lya pasipanu papanyawitwi.
12 ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay. (aiōnios g166)
Yomberi kingiriti Pahala Pananagala nentu kwa mala yimu, kingiriti ndiri na mwazi gwa mbuzi na ng'ombi kumbiti kingiriti na mwazi gwakuwi mweni, su katupanani ukombola wa mashaka goseri. (aiōnios g166)
13 Fa raha ny ran’ osilahy sy ny ran’ ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ ombivavy afafy amin’ izay voaloto no manamasìna hatramin’ ny fanadiovana ny nofo,
Gambira mwazi gwa mbuzi na gwa ng'ombi na livu lya mwana gwa ng'ombi vyavimyatiritwi kwa yawaweriti wahumba na viwapunga womberi na kuzitenda nshimba zyawu ziherepi,
14 mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona. (aiōnios g166)
su mwazi gwa Kristu hagutendi vitwatira vikulu nentu! Kristu Mlopoziya kupitira likakala lya Rohu Mnanagala gwa mashaka goseri, kalilaviyiti mweni kaweri litambiku lya nakaka kwa Mlungu, su katupungi nfiru kulawa mumatendu yagafuwa, su tupati kumtendera Mlungu yakawera mkomu. (aiōnios g166)
15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ ny fahotana natao tamin’ ny fanekena voalohany, mba hahazoan’ izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. (aiōnios g166)
Toziya ayi Kristu ndo mkolaniziya gwa lipatanu lya syayi. Su walii yawashemitwi na Mlungu wawanki uhala wa mashaka goseri waulagilitwi na Mlungu. Toziya kuhowa kwakuwi kuwakombola wantu kulawa mumakosa gawatenditi mulipatanu lyakwanja. (aiōnios g166)
16 Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy.
Wosiya umanika hera handa kuhowa kwa ulii mweni yakaulembiti kumanika.
17 Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.
Wosiya wanja kutenda lihengu pakahowa kala ulii yakawulembiti, toziya uweza ndiri kuwera na makakala shipindi shilii sha ulii yakawulembiti pakawera kankali mkomu.
18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
Ndo toziya ata lilii lipatanu lya kwanja litulitwi ndiri pota mwazi.
19 Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Musa pakawabweleriti wantu woseri malagaliru goseri ntambu yagaweriti Mumalagaliru Mlungu gakamupananiti, katola mwazi gwa mwana gwa ng'ombi pamuhera na mashi, na kwa kutumiya mihamba ya miputira yawaishema husopu na pamba njeri, kashimyatira shintola shilii sha lilagaliru na wantu woseri.
20 dia hoy izy; Ity no ran’ ny fanekena izay nandidian’ Andriamanitra anareo.
Musa kalongiti, “Agu ndo mwazi gwa lipatanu, lyeni Mlungu kawalagiliriti mulijimiri.”
21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
Viraa virii Musa kamyatira mwazi lipamanda na vyombu vyakutendera mukumguwira Mlungu.
22 Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Yina, kulawirana na lilagaliru vintu vyoseri wavipunga kwa mwazi, na pota kwitika kwa mwazi kwahera kulekeziwa vidoda.
23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny.
Vintu avi yaviwera mfanu hera kwa vintu vya kumpindi, vifiriziwitwi kupungwa kwa ntambu ayi, kumbiti vintu vya kumpindi vyeni vifiriziwitwi tambiku yaiherepa nentu kuliku ya aga.
24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masìna nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masìna, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
Toziya Kristu kingira ndiri pahala pananagala papanyawitwi kwa mawoku ga wantu, mfanu hera gwa shilii yashiwera shanakaka. Yomberi kingira kumpindi kweni, vinu kagoloka kulongolu kwa Mlungu kwajili ya twenga.
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ ny fitoerana masìna isan-taona mitondra ny ran’ ny zavatra hafa;
Kingiriti ndiri kulilaviya mala kwa mala handa Mtambika mkulu ntambu yakingiriti Pahala Pananagala Nentu kila shinja na mwazi yaguweriti ndiri gwakuwi.
26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’ izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin’ ny nanaterany ny tenany. (aiōn g165)
Handa meiweri hangu, Kristu mekafiruwi kutabisiwa mala zivuwa kwanjira kwanja kwa pasipanu. Kumbiti vinu, mashaka aga gapakwegera upeleru, yomberi kalawira kwa mala yimu hera, kuwawusiya wantu vidoda kwa kulilaviya mweni tambiku. (aiōn g165)
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
Muntu yoseri hakahowi mala yimu hera, shakapanu hakatozwi.
28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.
Ntambu iraa ayi Kristu kalilaviyiti tambiku mala yimu hera kwajili ya kuwusiya vidoda vya wavuwa. Pakalawira kayi mala ya pili, hakizi ndiri kayi kutenda lihengu lya kuwusiya vidoda kumbiti hakizi kuwalopoziya walii yawamuhepelera.

< Hebreo 9 >