< Hebreo 6 >
1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’ i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ ny asa maty sy finoana an’ Andriamanitra,
2 ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. (aiōnios )
3 Ary izany no hataontsika, raha avelan’ Andriamanitra.
4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masìna
5 ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy, (aiōn )
6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;
8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.
11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;
12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ ny finoana sy ny faharetana.
13 Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany Izy
14 ka nanao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao”.
15 Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16 Fa ny olona dia mianiana amin’ izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17 Ary amin’ izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ ny fianianana izany,
18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’ Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ ny efitra lamba;
20 tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy. (aiōn )