< Hebreo 5 >
1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ ny olona ka tendrena ho solon’ ny olona hanao ny raharahan’ Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
Кожен первосвященник, обраний з-поміж людей, призначається представляти народ перед Богом, щоб приносити дари та жертви за гріхи.
2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ ny fahalemena ihany;
Він може співчувати тим, хто не знає й помиляється, оскільки він сам підвладний слабкості.
3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ ny olona ihany.
Ось чому він повинен приносити жертви як за власні гріхи, так і за гріхи людей.
4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’ i Arona.
І ніхто сам собі не бере такої честі, а лише той, хто покликаний Богом, так як Аарон.
5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”;
Так само Христос не Сам на Себе взяв честь стати Первосвященником, але Бог сказав Йому: «Ти Мій Син, Я сьогодні породив Тебе».
6 ary toy ny lazainy eo amin’ ny teny hafa koa hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn )
І в іншому місці говорить: «Ти – Священник навіки за чином Мельхіседека». (aiōn )
7 Tamin’ ny andron’ ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’ izay nahavonjy Azy tamin’ ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra,
Він у дні Свого земного життя з великим голосінням та сльозами благав та молився Тому, Хто міг врятувати Його від смерті, і був почутий через Свою побожність.
8 dia nianatra fanarahana tamin’ izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
Він, хоча й був Сином, навчився послуху через страждання
9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ ny famonjena mandrakizay ho an’ izay rehetra manaraka Azy, (aiōnios )
й, досягнувши досконалості, став джерелом вічного спасіння для всіх, хто Його слухається. (aiōnios )
10 fa notononin’ Andriamanitra hoe Mpisoronabe “araka ny fanaon’ i Melkizedeka.”
Сам Бог призначив Його Первосвященником за чином Мельхіседека.
11 Ny amin’ izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
Про це ми могли б ще багато говорити, але вам важко зрозуміти, бо ви стали нездатними чути.
12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan’ ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ ny tenin’ Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
Вам, хоч ви давно вже мали би бути вчителями, знову потрібен хтось, хто навчить вас початкових істин Слова Божого. Вам знову потрібне молоко, а не тверда їжа!
13 Fa izay rehetra mivelona amin’ ny ronono dia tsy zatra amin’ ny tenin’ ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
Бо кожен, хто вживає молоко, є недосвідченим у вченні про праведність, адже є немовлям.
14 Fa ho an’ izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Тверда ж їжа призначена для дорослих, які через постійне її вживання привчилися відрізняти добро від зла.