< Hebreo 3 >

1 Koa amin’ izany, ry rahalahy masìna, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
Wherefore, holy brethren, partakers of the heavenly calling, consider the apostle and high-priest of our profession, Christ Jesus;
2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an’ i Mosesy koa tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra.
who was faithful to Him that appointed Him, as Moses also was in all his house.
3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
For He was accounted worthy of more honor than Moses, as he who hath built it, hath more honor than the house.
4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
For every house is built by some one: and He who built all things is God.
5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
Now Moses was indeed faithful in all his house as a servant, for a testimony of the things which were to be spoken:
6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’ Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.
but Christ as a Son over his own house; whose house we are, if we maintain the free profession and exultation of hope firm unto the end.
7 Koa araka izay lazain’ ny Fanahy Masìna hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
Therefore, as the holy Ghost saith, "To-day if ye will hear his voice,
8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana, tamin’ ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
harden not your hearts, as in the provocation, in the day of temptation in the wilderness, when your fathers tempted me,
9 Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy tamin’ ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
proved me, and saw my works forty years:
10 Koa tezitra tamin’ izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin’ ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
wherefore I was provoked with that generation, and said, They are always erring in their heart, and they have not known my ways:
11 Ary araka izany no nianianako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy".
so I sware in my wrath, they shall not enter into my rest."
12 Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona;
Take heed, my brethren, least there be in any of you a wicked heart of unbelief in departing from the living God:
13 fa mifananara isan’ andro, raha mbola atao hoe “Anio”; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ ny ota.
but exhort one another daily, while it is called to-day; that none of you may be hardened through the deceitfulness of sin:
14 Fa efa tonga mpiombona amin’ i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan’ ny fahatokiantsika hatramin’ ny farany;
for we are made partakers of Christ, if we hold fast our first confidence firm unto the end; inasmuch as it is said,
15 raha atao hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana.”.
"To-day if ye will hear his voice,
16 Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’ i Mosesy niala tany Egypta va?
harden not your hearts, as in the provocation." For some that heard did provoke; but not all that came out of Egypt with Moses.
17 Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
But with whom was He provoked forty years? was it not with those that sinned, whose carcases fell in the wilderness?
18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
and to whom did He swear that they should not enter into his rest, but to those that were disobedient?
19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
and so we see that they could not enter in because of unbelief.

< Hebreo 3 >