< Hebreo 2 >
1 Ary amin’ izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
Посему, мы должны быть особенно внимательны к слышанному, чтобы не отпасть.
2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ ny fahotana,
Ибо, если чрез Ангелов возвещенное слово было твердо, и всякое преступление и непослушание получало праведное воздаяние,
3 hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ ny voalohany, ary nohamafin’ izay nandre tamintsika kosa,
то как мы избежим, вознерадевши о толиком спасении, которое, быв сначала проповедано Господом, в нас утвердилось слышавшими от Него,
4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masìna nozarazarainy araka ny sitrapony.
при засвидетельствовании от Бога знамениями и чудесами, различными силами, и раздаянием Духа Святого по Его воле!
5 Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
Ибо не Ангелам Бог покорил будущую вселенную, о которой говорил;
6 Fa ny anankiray nanambara eo amin’ ny teny iray hoe: “Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
Напротив, некто негде засвидетельствовал, говоря: “Что значит человек, что Ты помнишь его? или сын человеческий, что Ты посещаешь его?
7 Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao;
Немного Ты унизил его пред Ангелами; славою и честью увенчал его и поставил его над делами рук Твоих;
8 Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin’ ny tongony”. Fa tamin’ ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
Все покорил под ноги его”. Когда же покорил ему все, то не оставил ничего не покоренным ему. Ныне же еще не видим, чтобы все было ему покорено;
9 Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’ Andriamanitra.
Но видим, что за претерпение смерти увенчан славою и честью Иисус, который немного был унижен пред Ангелами, дабы Ему по благодати Божией, вкусить смерть за всех.
10 Fa miendrika Izay anton’ ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin’ ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon’ ny famonjena ireo amin’ ny fahoriana.
Ибо надлежало, чтобы Тот, для Которого все и от Которого все, приводящего многих сынов в славу, Вождя спасения их совершил через страдания.
11 Fa iray no nihavian’ izy roroa, na Izay manamasìna, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe “rahalahy”
Ибо Освящающий и освящаемые, все - от Единого; поэтому Он не стыдится называть их братиями, говоря:
12 ka manao hoe: “Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko Aho; Eo amin’ ny fiangonana no hiderako Anao”.
“Возвещу имя Твое братиям Моим, посреди церкви воспою Тебя”.
13 Ary koa: “Izaho hatoky Azy”. Ary indray koa: “Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’ Andriamanitra Ahy”.
И еще: “Я буду уповать на Него”. И еще: “Вот Я и дети, которых дал Мне Бог”.
14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly,
А как дети причастны плоти и крови, то и Он также воспринял оные, дабы смертью лишить силы имеющего державу смерти, то есть, диавола,
15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
и избавить тех, которые от страха смерти всю жизнь были подвержены рабству.
16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’ i Abrahama no vonjeny.
Ибо не Ангелов восприемлет Он, но восприемлет семя Авраамово.
17 Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
Посему Он должен был во всем уподобиться братиям, чтоб быть милостивым и верным Первосвященником пред Богом, для умилостивления за грехи народа,
18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.
Ибо, как Сам Он претерпел, быв искушен, то может и искушаемым помочь.