< Hebreo 13 >

1 Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
Continue in brotherly love.
2 Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
Do not neglect to show hospitality to strangers, for by so doing some people have entertained angels without knowing it.
3 Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo.
Remember those in prison as if you were bound with them, and those who are mistreated as if you were suffering with them.
4 Aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’ olona dia hohelohin’ Andriamanitra.
Marriage should be honored by all and the marriage bed kept undefiled, for God will judge the sexually immoral and adulterers.
5 Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”.
Keep your lives free from the love of money and be content with what you have, for God has said: “Never will I leave you, never will I forsake you.”
6 Ka dia sahy manao hoe isika: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ ny olona atao amiko?”.
So we say with confidence: “The Lord is my helper; I will not be afraid. What can man do to me?”
7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ ny fiainany, ka araho ny finoany.
Remember your leaders who spoke the word of God to you. Consider the outcome of their way of life and imitate their faith.
8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. (aiōn g165)
Jesus Christ is the same yesterday and today and forever. (aiōn g165)
9 Aza mety havilin’ izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
Do not be carried away by all kinds of strange teachings, for it is good for the heart to be strengthened by grace and not by foods of no value to those devoted to them.
10 Isika manana alitara, izay tsy ananan’ ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
We have an altar from which those who serve at the tabernacle have no right to eat.
11 Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny.
Although the high priest brings the blood of animals into the Holy Place as a sacrifice for sin, the bodies are burned outside the camp.
12 Ary amin’ izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ ny ràny.
And so Jesus also suffered outside the city gate, to sanctify the people by His own blood.
13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
Therefore let us go to Him outside the camp, bearing the disgrace He bore.
14 Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
For here we do not have a permanent city, but we are looking for the city that is to come.
15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ ny alalany ho an’ Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
Through Jesus, therefore, let us continually offer to God a sacrifice of praise, the fruit of lips that confess His name.
16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra.
And do not neglect to do good and to share with others, for with such sacrifices God is pleased.
17 Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
Obey your leaders and submit to them, for they watch over your souls as those who must give an account. To this end, allow them to lead with joy and not with grief, for that would be of no advantage to you.
18 Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra.
Pray for us; we are convinced that we have a clear conscience and desire to live honorably in every way.
19 Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
And I especially urge you to pray that I may be restored to you soon.
20 Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay, (aiōnios g166)
Now may the God of peace, who through the blood of the eternal covenant brought back from the dead our Lord Jesus, that great Shepherd of the sheep, (aiōnios g166)
21 Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
equip you with every good thing to do His will. And may He accomplish in us what is pleasing in His sight through Jesus Christ, to whom be glory forever and ever. Amen. (aiōn g165)
22 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
I urge you, brothers, to bear with my word of exhortation, for I have only written to you briefly.
23 Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
Be aware that our brother Timothy has been released. If he arrives soon, I will come with him to see you.
24 Manaova veloma amin’ izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masìna rehetra. Izay an’ Italia dia manao veloma anareo.
Greet all your leaders and all the saints. Those from Italy send you greetings.
25 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
Grace be with all of you.

< Hebreo 13 >