< Hebreo 11 >

1 Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
ⲁ̅ⲪⲚⲀϨϮ ⲆⲈ ⲞⲨⲦⲀϪⲢⲞ ⲠⲈ ⲚⲦⲈⲚⲎ ⲈⲦⲞⲨⲈⲢϨⲈⲖⲠⲒⲤ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲞⲨⲢⲈϤⲤⲞϨⲒ ⲠⲈ ⲚⲦⲈϨⲀⲚϨⲂⲎⲞⲨⲒ ⲚⲤⲈⲚⲀⲨ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲀⲚ.
2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
ⲃ̅ϦⲈⲚ ⲪⲀⲒ ⲄⲀⲢ ⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀ ⲚⲒⲠⲢⲈⲤⲂⲨⲦⲈⲢⲞⲤ.
3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’ Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. (aiōn g165)
ⲅ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲦⲈⲚⲔⲀϮ ϪⲈ ⲀⲨⲤⲞⲂϮ ⲚϪⲈⲚⲒⲈⲚⲈϨ ϦⲈⲚⲠⲤⲀϪⲒ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ϪⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲚⲎ ⲈⲦⲈⲚⲤⲈⲞⲨⲞⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ⲀⲚ ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲚϪⲈⲪⲎ ⲈⲦⲞⲨⲚⲀⲨ ⲈⲢⲞϤ. (aiōn g165)
4 Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’ i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ ny fanatitra nataony: ary amin’ izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
ⲇ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀⲂⲈⲖ ⲀϤⲈⲚ ϨⲞⲨⲞ ϢⲞⲨϢⲰⲞⲨϢⲒ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲈϨⲞⲦⲈ ⲔⲀⲒⲚ ⲪⲀⲒ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀⲢⲞϤ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲞⲦϤ ϪⲈ ⲞⲨⲐⲘⲎⲒ ⲠⲈ ⲈϤⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ⲚϪⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈϪⲈⲚ ⲚⲈϤⲦⲀⲒⲞ ⲞⲨⲞϨ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲞⲦϤ ⲈⲦⲀϤⲘⲞⲨ ϤⲤⲀϪⲒ ⲞⲚ.
5 Finoana no namindrana an’ i Enoka tsy hiharan’ ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’ Andriamanitra; fa talohan’ ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’ Andriamanitra izy.
ⲉ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲈⲚⲰⲬ ⲀⲨⲞⲨⲞⲐⲂⲈϤ ⲈⲂⲞⲖ ⲈϢⲦⲈⲘⲚⲀⲨ ⲈⲪⲘⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲀⲨϪⲒⲘⲒ ⲘⲘⲞϤ ⲀⲚ ⲠⲈ ϪⲈ ⲀⲪⲚⲞⲨϮ ⲞⲨⲞⲐⲂⲈϤ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲀϪⲰϤ ⲄⲀⲢ ⲘⲠⲒⲞⲨⲰⲦⲈⲂ ⲈⲂⲞⲖ ⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀⲢⲞϤ ϪⲈ ⲀϤⲢⲀⲚⲀϤ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ.
6 Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
ⲋ̅ⲀⲦϬⲚⲈ ⲚⲀϨϮ ⲆⲈ ⲘⲘⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲈⲢⲀⲚⲀϤ ⲤϢⲈ ⲄⲀⲢ ⲚⲦⲈϤⲚⲀϨϮ ⲚϪⲈⲪⲎ ⲈⲐⲚⲎ ⲞⲨ ϨⲀ ⲪⲚⲞⲨϮ ϪⲈ ϤϢⲞⲠ ⲞⲨⲞϨ ϤⲚⲀϢⲰⲠⲒ ⲚⲢⲈϤϮⲂⲈⲬⲈ ⲚⲚⲎ ⲈⲦⲔⲰϮ ⲚⲤⲰϤ.
7 Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
ⲍ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲚⲰⲈ ⲈⲦⲀⲨⲦⲀⲘⲞϤ ⲈⲐⲂⲈ ⲚⲎ ⲈⲦⲈ ⲘⲠⲀⲦⲞⲨⲚⲀⲨ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲀϤⲈⲢϨⲞϮ ⲀϤⲘⲞⲚⲔ ⲚⲞⲨⲔⲨⲂⲰⲦⲞⲤ ⲈⲨⲚⲞϨⲈⲘ ⲚⲦⲈⲠⲈϤⲎⲒ ⲐⲎ ⲈⲦⲀϤⲈⲢⲔⲀⲦⲀⲔⲢⲒⲚⲒⲚ ⲘⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲞⲦⲤ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲚⲔⲖⲎⲢⲞⲚⲞⲘⲞⲤ ⲚⲦⲈϮⲘⲈⲐⲘⲎⲒ ⲚⲦⲈⲪⲚⲀϨϮ.
8 Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
ⲏ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲪⲎ ⲈⲦⲞⲨⲘⲞⲨϮ ⲈⲢⲞϤ ϪⲈ ⲀⲂⲢⲀⲀⲘ ⲀϤⲤⲰⲦⲈⲘ ⲈⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲈⲠⲒⲘⲀ ⲈⲚⲀϤⲚⲀϬ ⲒⲦϤ ⲚⲔⲖⲎⲢⲞⲚⲞⲘⲒⲀ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϤⲈⲘⲒ ⲀⲚ ϪⲈ ⲀϤⲘⲞϢⲒ ⲈⲐⲰⲚ.
9 Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona, mitoetra an-day, mbamin’ isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
ⲑ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀϤⲈⲢⲢⲈⲘⲚϪⲰⲒⲖⲒ ϦⲈⲚⲠⲔⲀϨⲒ ⲚⲦⲈϮⲈⲠⲀⲄⲄⲈⲖⲒⲀ ϨⲰⲤ ⲘⲪⲰϤ ⲀⲚ ⲠⲈ ⲈⲀϤϢⲰⲠⲒ ϦⲈⲚϨⲀⲚⲤⲔⲎⲚⲎ ⲚⲈⲘ ⲒⲤⲀⲀⲔ ⲚⲈⲘ ⲒⲀⲔⲰⲂ ⲚⲒϢⲪⲎⲢ ⲚⲔⲖⲎⲢⲞⲚⲞⲘⲞⲤ ⲚⲦⲈⲠⲀⲒⲰϢ ⲢⲰ.
10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
ⲓ̅ⲚⲀϤϪⲞⲨϢⲦ ⲄⲀⲢ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲀⲦϨⲎ ⲚϮⲂⲀⲔⲒ ⲐⲎ ⲈⲦⲈ ⲞⲨⲞⲚⲦⲀⲤ ⲚⲚⲒⲤⲈⲚϮ ⲘⲘⲀⲨ ⲐⲎ ⲈⲦⲈ ⲠⲈⲤⲦⲈⲬⲚⲒⲦⲎⲤ ⲚⲈⲘ ⲠⲈⲤⲢⲈϤⲐⲀⲘⲒⲞ ⲠⲈ ⲪⲚⲞⲨϮ.
11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’ anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
ⲓ̅ⲁ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲚⲐⲞⲤ ϨⲰⲤ ⲤⲀⲢⲢⲀ ϮⲀϬⲢⲎⲚ ⲀⲤϬⲒ ⲚⲞⲨϪⲞⲘ ⲈⲠⲦⲀⲞⲨⲞ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲦⲈⲞⲨϪⲢⲞϪ ⲞⲨⲞϨ ⲚⲈⲠⲤⲎⲞⲨ ⲀⲚ ⲠⲈ ⲚⲦⲈⲦⲈⲤⲘⲀⲒⲎ ⲈⲠⲒⲆⲎ ⲀϤϢⲰⲠⲒ ⲈϤⲈⲚϨⲞⲦ ⲚⲦⲞⲦⲤ ⲚϪⲈⲪⲎ ⲈⲦⲀϤⲰϢ.
12 Koa dia avy tamin’ ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ ny maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
ⲓ̅ⲃ̅ⲈⲐⲂⲈⲪⲀⲒ ⲀⲨⲘⲀⲤⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲞⲨⲀⲒ ⲔⲈ ⲦⲀⲨⲦⲀ ⲈⲀϤⲰϪϤ ⲚϪⲈⲠⲒⲤⲰⲘⲀ ⲔⲀⲦⲀ ⲪⲢⲎϮ ⲚⲚⲒⲤⲒⲞⲨ ⲚⲦⲈⲦⲪⲈ ϦⲈⲚⲠⲞⲨⲀϢⲀⲒ ⲚⲈⲘ ⲘⲪⲢⲎϮ ⲘⲠⲒϢⲰ ⲈⲦϦⲀⲦⲈⲚ ⲚⲈⲚⲤⲪⲞⲦⲞⲨ ⲘⲪⲒⲞⲘ ⲈⲦⲈ ⲘⲠⲀⲨϬⲒⲎⲠⲒ ⲘⲘⲞϤ.
13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.
ⲓ̅ⲅ̅ⲔⲀⲦⲀ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲚⲀⲒ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲀⲨⲘⲞⲨ ⲘⲠⲞⲨϬⲒ ⲚⲚⲒⲈⲠⲀⲄⲄⲈⲖⲒⲀ ⲀⲖⲖⲀ ⲀⲨⲚⲀⲨ ⲈⲢⲰⲞⲨ ϨⲒⲪⲞⲨⲈⲒ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨⲈⲢⲀⲤⲠⲀⲌⲈⲤⲐⲈ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲞⲨⲞϨ ⲀⲨⲞⲨⲞⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ϪⲈ ϨⲀⲚϢⲈⲘⲘⲰⲞⲨ ⲚⲈⲞⲨⲞϨ ⲚⲢⲈⲘⲚϪⲰⲒⲖⲒ ϨⲒϪⲈⲚ ⲠⲒⲔⲀϨⲒ.
14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
ⲓ̅ⲇ̅ⲚⲎ ⲄⲀⲢ ⲈⲦϪⲰ ⲚⲚⲀⲒ ⲘⲠⲀⲒⲢⲎϮ ⲤⲈⲞⲨⲞⲚϨ ⲈⲂⲞⲖ ϪⲈ ⲀⲨⲔⲰϮ ⲚⲤⲀⲞⲨⲂⲀⲔⲒ ⲚⲦⲈⲞⲨⲘⲀ ⲚϢⲰⲠⲒ.
15 Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
ⲓ̅ⲉ̅ⲞⲨⲞϨ ⲒⲤϪⲈ ⲘⲈⲚ ⲚⲀⲨⲒⲢⲒ ⲘⲪⲘⲈⲨⲒ ⲚⲐⲎ ⲈⲦⲀⲨⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚϦⲎⲦⲤ ⲒⲈ ⲚⲈⲞⲨⲞⲚⲦⲞⲨ ⲤⲎⲞⲨ ⲠⲈ ⲈⲦⲀⲤⲐⲞ ⲈⲢⲞⲤ.
16 Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy.
ⲓ̅ⲋ̅ϮⲚⲞⲨ ⲆⲈ ⲤⲈⲈⲢⲈⲠⲒⲐⲨⲘⲒⲚ ⲈⲐⲎ ⲈⲦⲤⲞⲦⲠ ⲚϨⲞⲨⲞ ⲈⲦⲈ ⲐⲀ ⲦⲪⲈ ⲦⲈ ⲈⲐⲂⲈⲪⲀⲒ ⲚϤϢⲒⲠⲒ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲀⲚ ⲚϪⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲈⲐⲢⲞⲨⲘⲞⲨϮ ⲈⲢⲞϤ ⲚⲚⲞⲨϮ ⲚⲰⲞⲨ ⲀϤⲤⲞⲂϮ ⲄⲀⲢ ⲚⲰⲞⲨ ⲚⲞⲨⲂⲀⲔⲒ.
17 Finoana no nanateran i Abrahama an’ isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
ⲓ̅ⲍ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀⲂⲢⲀⲀⲘ ⲀϤⲒⲚⲒ ⲚⲒⲤⲀⲀⲔ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲈⲨⲈⲢⲠⲒⲢⲀⲌⲒⲚ ⲘⲘⲞϤ ⲀϤⲒⲚⲒ ⲘⲠⲈϤϢⲎ ⲢⲒ ⲘⲘⲀⲨⲀⲦϤ ⲈϨⲢⲎⲒ ⲚϪⲈⲪⲎ ⲈⲦⲀϤϢⲈⲠ ⲚⲒⲰϢ ⲈⲢⲞϤ
18 dia ilay nilazana hoe: “Avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao”.
ⲓ̅ⲏ̅ⲪⲎ ⲈⲦⲀⲨⲤⲀϪⲒ ⲚⲈⲘⲀϤ ϪⲈ ϦⲈⲚⲒⲤⲀⲀⲔ ⲈⲨⲈⲐⲀϨⲈⲘ ⲞⲨϪⲢⲞϪ ⲚⲀⲔ.
19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy.
ⲓ̅ⲑ̅ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲘⲞⲔⲘⲈⲔ ϪⲈ ⲞⲨⲞⲚ ϢϪⲞⲘ ⲘⲪⲚⲞⲨϮ ⲈⲦⲞⲨⲚⲞⲤϤ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲚⲎ ⲈⲐⲘⲰⲞⲨⲦ ⲈⲐⲂⲈⲪⲀⲒ ⲀϤϬⲒⲦϤ ϦⲈⲚⲞⲨⲠⲀⲢⲀⲂⲞⲖⲎ.
20 Finoana no nitsofan’ isaka rano an’ i Jakoba sy Esao ny amin’ ny zavatra ho avy.
ⲕ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲈⲐⲂⲈ ⲚⲎ ⲈⲐⲚⲀϢⲰⲠⲒ ⲀϤⲤⲘⲞⲨ ⲚϪⲈⲒⲤⲀⲀⲔ ⲈⲒⲀⲔⲰⲂ ⲚⲈⲘ ⲎⲤⲀⲨ.
21 Finoana no nitsofan’ i Jakoba rano ny zanak’ i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ ny lohan’ ny tehiny.
ⲕ̅ⲁ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲒⲀⲔⲰⲂ ⲈϤⲚⲀⲘⲞⲨ ⲀϤⲤⲘⲞⲨ ⲈⲪⲞⲨⲀⲒ ⲪⲞⲨⲀⲒ ⲚⲚⲈⲚϢⲎⲢⲒ ⲚⲒⲰⲤⲎⲪ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤⲞⲨⲰϢⲦ ⲈϪⲈⲚ ϨⲐⲎϤ ⲘⲠⲈϤϢⲪⲰⲦ.
22 Finoana no nilazan’ i Josefa ny fialan’ ny Zanak’ isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ ny taolany.
ⲕ̅ⲃ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲒⲰⲤⲎⲪ ⲈϤⲚⲀⲘⲞⲨ ⲀϤⲈⲢⲪⲘⲈⲨⲒ ⲘⲠϪⲒⲚⲒ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲚⲈⲚϢⲎⲢⲒ ⲘⲠⲒⲤⲖ ⲞⲨⲞϨ ⲀϤϨⲞⲚϨⲈⲚ ⲈⲐⲂⲈ ⲚⲈϤⲔⲀⲤ.
23 Finoana no nanafenan’ ny ray aman-drenin’ i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ ny mpanjaka.
ⲕ̅ⲅ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲘⲰⲨⲤⲎⲤ ⲈⲦⲀⲨⲘⲀⲤϤ ⲀⲨⲬⲞⲠϤ ⲚⲄ ⲚⲀⲂⲞⲦ ⲚϪⲈⲚⲈϤⲒⲞϮ ϪⲈ ⲀⲨⲚⲀⲨ ⲈⲠⲒⲀⲖⲞⲨ ϪⲈ ⲞⲨⲀⲤⲦⲒⲞⲤ ⲠⲈ ⲞⲨⲞϨ ⲘⲠⲞⲨⲈⲢϨⲞϮ ϦⲀⲦϨⲎ ⲘⲠⲒϨⲰⲠ ⲚⲦⲈⲠⲞⲨⲢⲞ.
24 Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy, ―
ⲕ̅ⲇ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲘⲰⲨⲤⲎⲤ ⲈⲦⲀϤⲈⲢⲚⲒϢϮ ⲀϤϪⲰⲖ ⲈⲂⲞⲖ ⲈϢⲦⲈⲘⲈⲐⲢⲞⲨⲘⲞⲨϮ ⲈⲢⲞϤ ϪⲈ ⲠϢⲎⲢⲒ ⲚⲦϢⲈⲢⲒ ⲘⲪⲀⲢⲀⲰ.
25 nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana,
ⲕ̅ⲉ̅ⲘⲀⲖⲖⲞⲚ ⲈⲀϤⲞⲨⲰϢ ⲈϢⲈⲠⲘⲔⲀϨ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲖⲀⲞⲤ ⲚⲦⲈⲪⲚⲞⲨϮ ⲈϨⲞⲦⲈ ⲚⲦⲈϤϬⲒⲘⲎ ϦⲈⲚⲪⲚⲞⲂⲒ ⲠⲢⲞⲤ ⲞⲨⲤⲎⲞⲨ.
26 nanao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
ⲕ̅ⲋ̅ⲈⲀϤⲬⲀ ⲠϢⲰϢ ⲘⲠⲬⲢⲒⲤⲦⲞⲤ ⲚⲦⲞⲦϤ ϪⲈ ⲞⲨⲘⲈⲦⲢⲀⲘⲀⲞ ⲈⲚⲀⲀⲤ ⲦⲈ ⲈϨⲞⲦⲈ ⲚⲒⲀϨⲰⲢ ⲚⲦⲈⲬⲎⲘⲒ ⲈⲚⲀϤϪⲞⲨϢⲦ ⲄⲀⲢ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲀⲦϨⲎ ⲘⲠⲒϢⲈⲂⲒⲈ ⲂⲈⲬⲈ.
27 Finoana no nandaovany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
ⲕ̅ⲍ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀϤⲬⲀ ⲬⲎⲘⲒ ⲚⲤⲰϤ ⲘⲠⲈϤⲈⲢϨⲞϮ ϦⲀⲦϨⲎ ⲘⲠⲒⲘⲂⲞⲚ ⲚⲦⲈⲠⲞⲨⲢⲞ ⲠⲒⲀⲐⲚⲀⲨ ⲄⲀⲢ ⲈⲢⲞϤ ⲚⲀϤⲘⲞⲨⲚ ⲈⲢⲞϤ ⲘⲪⲢⲎϮ ⲚⲞⲨⲀⲒ ⲈϤⲚⲀⲨ ⲈⲢⲞϤ.
28 Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
ⲕ̅ⲏ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀϤⲒⲢⲒ ⲘⲠⲒⲠⲀⲤⲬⲀ ⲚⲈⲘ ⲠⲒⲪⲰⲚ ⲈⲂⲞⲖ ⲚⲦⲈⲠⲒⲤⲚⲞϤ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈϢⲦⲈⲘ ⲠⲒⲢⲈϤⲦⲀⲔⲞ ϬⲒ ⲚⲈⲘ ⲚⲞⲨϢⲞⲢⲠ ⲘⲘⲒⲤⲒ.
29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
ⲕ̅ⲑ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀⲨⲤⲒⲚⲒ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲪⲒⲞⲘ ⲚϢⲀⲢⲒ ⲘⲪⲢⲎϮ ⲚⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲞⲨⲔⲀϨⲒ ⲈϤϢⲞⲨⲰⲞⲨ ⲪⲎ ⲈⲦⲀⲨϬⲒⲠⲒⲢⲀ ⲚϦⲎⲦϤ ⲚϪⲈⲚⲒⲢⲈⲘⲚⲬⲎ ⲘⲒ ⲀⲨⲰⲘⲤ ⲈϦⲢⲎⲒ.
30 Finoana no nampirodana ny màndan’ i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
ⲗ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲚⲒⲤⲞⲂⲦ ⲚⲦⲈⲒⲈⲢⲒⲬⲰ ⲀⲨϨⲈⲒ ⲈⲦⲀⲨⲔⲰϮ ⲈⲢⲰⲞⲨ ⲚⲌ ⲚⲈϨⲞⲞⲨ.
31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ ny fihavanana izy.
ⲗ̅ⲁ̅ϦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲢⲀⲀⲂ ϮⲠⲞⲢⲚⲎ ⲘⲠⲈⲤⲦⲀⲔⲞ ⲚⲈⲘ ⲚⲎ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢⲀⲦⲤⲰⲦⲈⲘ ⲈⲦⲀⲤϢⲎ ⲠⲚⲒϪⲎⲢ ⲈⲢⲞⲤ ϦⲈⲚⲞⲨϨⲒⲢⲎⲚⲎ.
32 Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
ⲗ̅ⲃ̅ⲞⲨⲞϨ ⲚⲦⲀϪⲞⲤ ⲞⲚ ϪⲈ ⲞⲨ ⲈϤⲈⲘⲞⲨⲚⲔ ⲄⲀⲢ ⲈⲢⲞⲒ ⲚϪⲈⲠⲒⲤⲎⲞⲨ ⲈⲒⲪⲒⲢⲒ ⲈⲐⲂⲈ ⲄⲈⲆⲈⲰⲚ ⲂⲀⲢⲀⲔ ⲤⲀⲘⲮⲰⲘ ⲒⲈⲪⲐⲀⲒⲈ ⲆⲀⲨⲒⲆ ⲚⲈⲘ ⲤⲀⲘⲞⲨⲎⲖ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲔⲈⲠⲢⲞⲪⲎⲦⲎⲤ.
33 izay nandresy fanjakana tamin’ ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ ny liona,
ⲗ̅ⲅ̅ⲚⲎ ⲈⲦⲈ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲞⲨⲚⲀϨϮ ⲀⲨϬⲢⲞ ⲈϨⲀⲚⲘⲈⲦⲞⲨⲢⲰⲞⲨ ⲀⲨⲈⲢϨⲰⲂ ⲈϮⲘⲈⲐⲘⲎ ⲒⲀ ⲦⲞⲦⲞⲨ ϬⲒ ⲚⲚⲒⲰϢ ⲀⲨⲐⲰⲘ ⲚⲢⲰⲞⲨ ⲚϨⲀⲚⲘⲞⲨⲒ.
34 namono ny fidedadedan’ afo, afaka tamin’ ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ ny firenena hafa.
ⲗ̅ⲇ̅ⲀⲨⲰϢⲈⲘ ⲈⲦϪⲞⲘ ⲚⲦⲈⲞⲨⲬⲢⲰⲘ ⲀⲨⲪⲰⲦ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲢⲰⲞⲨ ⲚϨⲀⲚⲤⲎϤⲒ ⲀⲨϪⲈⲘϪⲞⲘ ϦⲈⲚⲠϢⲰⲚⲒ ⲀⲨϢⲰⲠⲒ ⲈⲨϪⲞⲢ ϦⲈⲚⲠⲒⲠⲞⲖⲈⲘⲞⲤ ⲀⲨⲢⲒⲔⲒ ⲚϨⲀⲚⲠⲀⲢⲈⲘⲂⲞⲖⲎ ⲚⲦⲈϨⲀⲚϢⲈⲘⲘⲰⲞⲨ.
35 Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
ⲗ̅ⲉ̅ⲀⲨϬⲒ ⲚϪⲈϨⲀⲚϨⲒⲞⲘⲒ ⲚⲚⲞⲨⲢⲈϤⲘⲰⲞⲨⲦ ⲈⲂⲞⲖ ϦⲈⲚⲞⲨⲀⲚⲀⲤⲦⲀⲤⲒⲤ ϨⲀⲚⲔⲈⲬ ⲰⲞⲨⲚⲒ ⲀⲨⲞⲨⲈϢⲞⲨⲰϢⲞⲨ ⲘⲪⲢⲎϮ ⲚϨⲀⲚⲔⲈⲘⲔⲈⲘ ⲘⲠⲞⲨϢⲈⲠ ⲠⲒⲤⲰϮ ⲈⲢⲰⲞⲨ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲦⲈⲦⲞⲦⲞⲨ ϬⲒ ⲚϮⲀⲚⲀⲤⲦⲀⲤⲒⲤ ⲈⲦⲤⲞⲦⲠ.
36 ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
ⲗ̅ⲋ̅ϨⲀⲚⲔⲈⲬⲰⲞⲨⲚⲒ ⲆⲈ ϦⲈⲚϨⲀⲚⲤⲰⲂⲒ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲘⲈⲤⲦⲒⲄⲄⲞⲤ ⲀⲨϬⲒⲠⲒⲢⲀ ⲈⲦⲒ ⲆⲈ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚⲔⲈⲤⲚⲀⲨϨ ⲚⲈⲘ ϨⲀⲚϢⲦⲈⲔⲰⲞⲨ.
37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadiranovana
ⲗ̅ⲍ̅ⲀⲨϨⲒⲰⲚⲒ ⲈϪⲰⲞⲨ ⲀⲨⲂⲀⲤⲞⲨ ⲚⲐⲂⲀϢⲞⲨⲢ ⲀⲨⲈⲢⲠⲒⲢⲀⲌⲒⲚ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲀⲨⲘⲞⲨ ϦⲈⲚⲠϦⲰⲦⲈⲂ ⲚⲦⲤⲎϤⲒ ⲀⲨⲘⲞϢⲒ ϦⲈⲚϨⲀⲚⲘⲈⲖⲰⲦⲎ ϦⲈⲚϨⲀⲚϢⲀⲢ ⲘⲂⲀⲈⲘⲠⲒ ⲈⲨⲈⲢϦⲀⲈ ⲈⲨϨⲈϪϨⲰϪ ⲈⲨϬⲒⲘⲔⲀϨ.
38 (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an’ tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
ⲗ̅ⲏ̅ⲚⲀⲒ ⲈⲦⲈ ⲚⲀⲢⲈ ⲠⲒⲔⲞⲤⲘⲞⲤ ⲘⲠϢⲀ ⲘⲘⲰⲞⲨ ⲀⲚ ⲠⲈ ⲈⲨⲤⲰⲢⲈⲘ ϨⲒ ⲚⲒϢⲀϤⲈⲨ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲦⲰⲞⲨ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲂⲎⲂ ⲚⲈⲘ ⲚⲒⲬⲞⲖ ⲚⲦⲈⲠⲔⲀϨⲒ.
39 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
ⲗ̅ⲑ̅ⲞⲨⲞϨ ⲚⲀⲒ ⲦⲎⲢⲞⲨ ⲈⲦⲀⲨⲈⲢⲘⲈⲐⲢⲈ ϦⲀⲢⲰⲞⲨ ⲈⲂⲞⲖ ϨⲒⲦⲈⲚ ⲠⲒⲚⲀϨϮ ⲘⲠⲞⲨϬⲒ ⲘⲠⲒⲰϢ.
40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
ⲙ̅ⲈⲀϤϪⲞⲨϢⲦ ⲒⲤϪⲈⲚ ϢⲞⲢⲠ ⲚϪⲈⲪⲚⲞⲨϮ ϦⲀⲦϨⲎ ⲚⲞⲨϨⲰⲂ ⲈϤⲤⲞⲦⲠ ⲈⲐⲂⲎⲦⲈⲚ ϨⲒⲚⲀ ⲚⲤⲈϢⲦⲈⲘϪⲰⲔ ⲈⲂⲞⲖ ⲀⲦϬⲚⲞⲨⲚ.

< Hebreo 11 >