< Hagay 1 >

1 Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
In the second year of Darius the king, in the sixth month, on the first day of the month, came the word of Jehovah by Haggai the prophet to Zerubbabel, the son of Shealtiel, governor of Judah, and to Joshua, the son of Josedech, the high-priest, saying,
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
Thus saith Jehovah of hosts: This people saith, The time is not yet come, the time that the house of Jehovah should be built.
3 Dia tonga ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
But the word of Jehovah hath come by Haggai the prophet, saying: —
4 Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
Is it, then, a time for yourselves To dwell in ceiled houses, While this house lieth waste?
5 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
Therefore thus saith Jehovah of hosts: Consider how it goeth with you!
6 Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
Ye sow much, and bring in little; Ye eat, but are not full; Ye drink, but are not satisfied; Ye clothe yourselves, but are not warmed; And he that earneth wages earneth them for a purse with holes.
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
Thus saith Jehovah of hosts: Consider how it goeth with you!
8 Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.
Go up to the mountain, and bring wood, and build the house, That I may have pleasure therein, And be glorified, saith Jehovah.
9 Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
Ye look for much, and lo, it cometh to little; And when ye bring it home, I blow it away; And why? saith Jehovah of hosts. Because of my house which lieth waste, While ye run every one to his own house.
10 Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra.
Therefore the heaven over you withholdeth the dew, And the earth refuseth her fruit.
11 Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana.
And I have called for a drought upon the land, and upon the mountains; And upon the corn, and the new wine, and the oil; Upon that which the ground bringeth forth, And upon men, and upon cattle, And upon all the labor of the hands.
12 Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
Then Zerubbabel, the son of Shealtiel, and Joshua, the son of Josedech, the high-priest, and all the remnant of people, hearkened to the voice of Jehovah their God, and to the words of Haggai the prophet, as Jehovah their God had sent him; and the people feared before Jehovah.
13 Ary nambaran’ i Hagay, irak’ i Jehovah, ny teny nampitondrain’ i Jehovah ho amin’ ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
Then spake Haggai, the messenger of Jehovah, by a message from Jehovah to the people, saying, I am with you, saith Jehovah.
14 Dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny,
And Jehovah stirred up the spirit of Zerubbabel, the son of Shealtiel, governor of Judah, and the spirit of Joshua, the son of Josedech, the high-priest, and the spirit of all the remnant of people, so that they came and executed work upon the house of Jehovah of hosts, their God,
15 tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa.
on the four and twentieth day of the sixth month, in the second year of Darius the king.

< Hagay 1 >