< Hagay 2 >

1 Tamin’ ny andro fahiraika amby roa-polo tamin’ ny volana fahafito no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
On the twenty-first day of the seventh month, the Lord sent a message through the prophet Haggai.
2 Lazao amin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin’ ny sisa amin’ ny vahoaka hoe:
Say to Zerubbabel, son of Shealtiel, governor of Judah, and Joshua, son of Jehozadak, the high priest, and all the remaining people,
3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
Is there anyone left among you who saw this house in its former glory? How does it look to you now? Does it seem like nothing to you?
4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro,
So then be strong, Zerubbabel! Be strong, Joshua, son of Jehozadak, high priest! Be strong, all you people who remain in the land! Work, for I am with you, says the Lord Almighty.
5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
Just as I promised you when you left Egypt, my Spirit continues to be among you. Don't be afraid!
6 Fa izao no lazain’ i Jehovah. Tompon’ ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
This is what the Lord Almighty says: Soon I will shake the heavens and the earth once more, and the sea and the dry land.
7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
I will shake all the nations, and the one desired by all of the nations will come and I will fill this house with glory, says the Lord Almighty.
8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
The silver is mine, and the gold is mine, declares the Lord Almighty.
9 Ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; ary eto amin’ ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
The glory of this second house will be greater than the first, says the Lord Almighty, and I will bring peace in this place. So declares the Lord Almighty.
10 Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
On the twenty-fourth day of the ninth month, in the second year of the reign of king Darius, the Lord sent a message through the prophet Haggai.
11 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha maka hevitra amin’ ny mpisorona hoe:
“This is what the Lord Almighty says: Ask the priests about the law.
12 Raha misy mitondra hena masìna eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masìna koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
If someone carries some meat from a holy sacrifice in a fold of their clothes and that fold touches some bread or stew or wine or olive oil or any other kind of food, does that food become holy?” And the priests answered, “No.”
13 Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
Then Haggai asked, “If someone becomes unclean by touching a dead body and then touches any of these foods, do they become unclean?” The priests answered, “Yes, it does become unclean.”
14 Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
Then Haggai responded, “This is how it is with these people, and with the nation before me, says the Lord. All that they do, every offering they bring, is unclean.”
15 Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin’ izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah;
Now think about what you're doing from this day on. Before a stone was laid on another stone in the house of the Lord,
16 fony tamin’ izany andro izany raha nisy nankamin’ ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon’ ny famarana, dia roa-polo ihany.
how was it for you? You expected a store of grain with twenty measures but only found ten. You thought you could empty out fifty measures from the winepress but there was only twenty.
17 Ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin’ ny asan’ ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
I struck with blight and mildew and hail everything you were working so hard for, but even so you refused to come back to me, says the Lord.
18 Masìna ianareo, hevero ny hatramin’ izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin’ ny andro fahefatra amby roa-polo amin’ ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin’ ny andro nanorenana ny tempolin’ i Jehovah.
Think about what you're doing from this day on, today the twenty-fourth day of the ninth month when a foundation was laid for the house of the Lord. Think about it:
19 Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin’ izao andro anio izao no hitahiako anareo.
the seed is still in the barn. The vine, the fig tree, the pomegranate tree, and the olive tree have not yet given fruit. But from this day on I will bless you.
20 Ary tonga fanindroany tamin’ i Hagay ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
The Lord sent another message through the prophet Haggai on the twenty-fourth day of the month:
21 Lazao amin’ i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
Tell Zerubbabel, governor of Judah, I am going to shake the heavens and the earth.
22 dia hahohoko ny seza fiandrianan’ ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ ny fanjakan’ ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
I will overthrow the thrones of kingdoms and destroy the power of the nations' kingdoms. I will overthrow the chariots and their riders. The horses and riders will fall, and the men will kill each other by the sword.
23 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak’ i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
On that day, says the Lord, I will take you, Zerubbabel, son of Shealtiel, my servant, and make you like my signet ring, for I have chosen you. So declares the Lord Almighty.

< Hagay 2 >