< Hagay 1 >

1 Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
Katika mwaka wa pili wa mfalme Dario, katika mwezi wa sita, siku ya kwanza ya mwezi, neno la Bwana likaja kwa kwa mkono wa nabii Haghai kwenda kwa gavana wa Yuda, Zerubabeli mwana wa Sheatieli na kuhani mkuu Joshua mwana wa Yehozadaki, kusema,
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
“Bwana wa Majeshi asema: 'Hawa watu husema, “Si wakati wetu kuja au kujenga nyumba ya Jehova."””
3 Dia tonga ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
Tena neno la Bwana lilikuja kwa mkono wa nabii Haghai kusema,
4 Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
“Je ni wakati kwenu wenyewe kuishi katika nyumba zilizokamilika, na wakati nyumba hii inaharibika?
5 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
Kwa hiyo sasa Bwana wa Majeshi asema hivi: 'zitafakarini njia zenu!
6 Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
Mmepanda mbengu nyingi, lakini mkaleta mavuno kidogo; mnakula lakini hamshibi, mnakunywa lakini hamkujazwa na vinywaji. Mnavaa nguo lakini hampati joto wenyewe, na mtu wa mshahara hupata pesa na kuweka kwenye mfuko wenye mashimo tu!'
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
Bwana wa Majeshi asema haya:
8 Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.
'Zitafakarini njia zetu! Pandeni milimani, mkalete mbao, na mjenge nyumba yangu; na pia nitakuwa radhi na nitatukuzwa!' Asema Bwana.
9 Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
'Mmetazamia kupata vingi, lakini tazama! ulileta nyumbani vichache, nitavitowesha mbali! kwa nini?'- Hivi ndivyo anatamka Bwana wa Majeshi! kwa sababu nyumba yangu inakaa kwenye uharibifu, lakini kila mtu yuko radhi kwenye nyumba yake.
10 Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra.
Kwa sababu hii mbingu zimeshikiwa zisitoe umande kutoka kwako, na ardhi imeshikilia haizalishi.
11 Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana.
Nimekuita kutoka juu ya ardhi na juu ya milima, juu ya nafaka na juu ya mzabibu mpya, juu ya mafuta na juu ya mavuno ya ardhi, juu ya watu na juu ya wanyama, na juu ya kazi zote za mikono yako.
12 Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
Kisha Zerubabeli mwana wa Shelitieli, na kuhani mkuu Yoshua mwana wa Yehozadaki, pamoja na mabaki ya watu, wakati sauti ya Bwana Mungu wao, na maneno ya Nabii Hagai, kwa sababu Bwana Mungu wao alikuwa amemtuma. Na watu wakaogopa uso wa Bwana.
13 Ary nambaran’ i Hagay, irak’ i Jehovah, ny teny nampitondrain’ i Jehovah ho amin’ ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
Ndipo Hagai, mjumbe wa Bwana, akaongea ujumbe wa Bwana kwa watu na kusema,”'Niko pamoja na wewe!'- Hili ni tamko la Bwana.
14 Dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny,
Bwana alitibua roho ya mkuu wa mkoa wa Yudah, Zerubabeli mwana wa Sheltieli, na roho ya kuhani mkuu Joshua mwana wa Yehozadaki, na roho ya masalia ya watu, kwa kiasi kwamba wakaenda kufanya kazi katika nyumba ya Bwana Mungu wa majeshi, Mungu wao.
15 tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa.
katika siku ya ishirini na Mwezi wa sita, katika mwaka wa pili wa utawala wa Mfalme Dario.

< Hagay 1 >