< Habakoka 1 >
1 Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’ i Habakoka mpaminany.
The message seen by the prophet Habakkuk.
2 Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
How long, Lord, have I cried out and without you hearing me! I cry to you, ‘Violence!’ but you do not help.
3 Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
Why do you make me look upon wickedness and behold trouble? Destruction and violence are before my eyes, and fighting and quarrelling.
4 Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ ny fitsarana miangatra.
Therefore the law is weak, and justice is never rendered; for the wicked surround the righteous, so that justice is perverted.
5 Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
Look at the nations, look well, be shocked and amazed. For I am about to do a work in your days; you will not believe it when it is told.
6 Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran’ ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
For I am about to raise up the Chaldeans, a nation grim and quick of action who sweep over the whole breadth of the earth to seize dwellings not their own.
7 Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
They bring fear and terror. They write their own rules.
8 Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
Their horses are swifter than leopards, quicker than wolves hunting at dusk. From afar they come swooping down, like an eagle attacking its prey.
9 Hampidi-doza no ihavian’ izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.
They all come to do violence, a horde like a desert wind, they gather up captives like sand.
10 Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.
At kings they scoff, and princes are sport to them. They laugh at every fortress, and heap up earth to take it.
11 Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
Then they sweep on like the wind, Their strength is their god.
12 Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
Are you not eternal, Lord, my holy one, who does not die? Lord you have appointed them to execute judgment, my rock, you have established them to punish.
13 Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangìna, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
Your eyes are too pure to look at evil, you cannot condone iniquity. So why do you regard the treacherous in silence, while the wicked swallows the upright?
14 Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
You have made people like the fish of the sea, like reptiles that have no ruler.
15 Aingainy amin’ ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ ny haratony Ary sarihany amin’ ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
The wicked sweep them all into their nets, and gather them into their drag-nets, and rejoice and celebrate.
16 Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
Therefore they sacrifice to their net, and burn offerings to their drag-net; for by their nets are their portions generous, and their food is rich.
17 Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
Will they empty their nets continually, slaughter nations unpityingly?