< Habakoka 2 >
1 Hitsangana eo ambonin’ ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin’ ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin’ ny fitarainako.
我わが觀望所に立ち戍樓に身を置ん 而して我候ひ望みて其われに何と宣まふかを見 わが訴言に我みづから何と答ふべきかを見ん
2 Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fàfana, Mba ho azon’ ny mihazakazaka hovakina aza.
ヱホバわれに答へて言たまはく 此黙示を書しるして之を板の上に明白に鐫つけ奔りながらも之を讀むべからしめよ
3 Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.
この黙示はなほ定まれる時を俟てその終を急ぐなり 僞ならず 若し遲くあらば待べし 必ず臨むべし 濡滯りはせじ
4 Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany.
視よ彼の心は高ぶりその中にありて直からず 然ど義き者はその信仰によりて活べし
5 Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy. (Sheol )
かの酒に耽る者は邪曲なる者なり 驕傲者にして安んぜず彼はその情慾を陰府のごとくに濶くす また彼は死のごとし 又足ことを知ず 萬國を集へて己に歸せしめ萬民を聚めて己に就しむ (Sheol )
6 Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan’ izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka
其等の民みな諺語をもて彼を評し嘲弄の詩歌をもて彼を諷せざらんや 即ち言ん己に屬せざる物を積累ぬる者は禍なるかな 斯て何の時にまでおよばんや 嗟かの質物の重荷を身に負ふ者よ
7 Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?
汝を噬む者にはかに興らざらんや 汝を惱ます者醒出ざらんや 汝は之に掠めらるべし
8 Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin’ ny sisa rehetra amin’ ny firenena kosa, Noho ny ran’ ny olona sy ny fandozana natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
汝衆多の國民を掠めしに因てその諸の民の遺れる者なんぢを掠めん 是人の血を流ししに因る また強暴を地上に行ひて邑とその内に住る一切の者とに及ぼせしに因るなり
9 Lozan’ izay fatra-pila harena amin’ ny tsy marina ho an’ ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin’ ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan’ ny loza
災禍の手を免れんが爲に高き處に巣を構へんとして己の家に不義の利を取る者は禍なるかな
10 Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an’ ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin’ ny ainao ianao.
汝は事を圖りて己の家に恥辱を來らせ衆多の民を滅して自ら罪を取れり
11 Fa hitaraina ny vato ao amin’ ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin’ ny trano no hamaly azy.
石垣の石叫び建物の梁これに應へん
12 Lozan’ izay manao vohitra amin’ ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin’ ny heloka!
血をもて邑を建て惡をもて城を築く者は禍なるかな
13 Indro, tsy avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, va no hiasan’ ny olona ho an’ ny afo, Sy hisasaran’ ny firenena noho ny zava-poana?
諸の民は火のために勞し諸の國人は虚空事のために疲る 是は萬軍のヱホバより出る者ならずや
14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’ i Jehovah, Toy ny fanaron’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
ヱホバの榮光を認むるの知識地上に充て宛然海を水の掩ふが如くならん
15 Lozan’ izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;
人に酒を飮せ己の忿怒を酌和へて之を酔せ而して之が陰所を見んとする者は禍なるかな
16 Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’ i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin’ ny voninahitrao.
汝は榮譽に飽ずして羞辱に飽り 汝もまた飮て汝の不割禮を露はせ ヱホバの右の手の杯汝に巡り來るべし 汝は汚なき物を吐て榮耀を掩はん
17 Fa hanody anao ny loza natao tamin’ i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran’ ny olona sy ny loza natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
汝がレバノンに爲たる強暴と獣を懼れしめしその殲滅とは汝の上に報いきたるべし 是人の血を流ししに因りまた強暴を地上に行ひて邑とその内に住る一切の者とに及ぼししに因るなり
18 Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin’ ny nanaovany sampy moana?
雕像はその作者これを刻みたりとて何の益あらんや 又鑄像および僞師は語はぬ偶像なればその像の作者これを作りて頼むとも何の益あらんや
19 Lozan’ izay manao amin’ ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
木にむかひて興ませと言ひ 語はぬ石にむかひて起たまへと言ふ者は禍なるかな 是あに教晦を爲んや 視よ是は金銀に着せたる者にてその中には全く氣息なし
20 Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!
然りといへどもヱホバはその聖殿に在ますぞかし 全地その御前に黙すべし