+ Genesisy 1 >

1 Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Apuengcue vah, Cathut ni kalvan hoi talai a sak.
2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano.
Talai teh meilam tawn hoeh. Ahrawng lah doeh ao. Hmonae ni kadung poung e hmuen a ramuk. Cathut e Muitha teh tui van a kâroe.
3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
Cathut ni angnae awm seh ati teh angnae teh ao.
4 Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’ Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
Angnae teh Cathut ni a khet navah ahawi ati teh, Cathut ni angnae teh hmonae dawk hoi a kapek.
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
Cathut ni angnae hah khodai telah a phung, hmonae hah karum telah a phung. Hottelah, tangmin hoi amom teh apasuek hnin lah ao.
6 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ ny rano izy.
Hahoi Cathut ni, tui lungui lathueng awmseh, tui hoi tui kâkapek seh telah ati.
7 Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ ny habakabaka tamin’ ny rano ambonin’ ny habakabaka; dia nisy izany.
Hottelah Cathut ni lathueng a sak teh, lathueng lah kaawm e tui hoi lathueng rahim lah kaawm e tui hah a kapek teh hottelah ao awh.
8 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
Cathut ni lathueng teh kalvan telah a phung. Hottelah tangmin hoi amom teh apâhni hnin lah ao.
9 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ ny lanitra ho eo amin’ ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
Hahoi Cathut ni kalvan rahim kaawm e tui hmuen buet touh koe awm seh. Kaphui e talai kamnuek seh ati e patetlah ao.
10 Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Cathut ni kaphui e talai hah talai telah ati teh, tuikamuemnae teh tuipui telah a phung. Cathut ni a khet navah ahawi telah ati.
11 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.
Hahoi Cathut ni hettelah ati, talai ni pho, cati ka tâcawt sak e cakung, a paw ka paw e thingkung, amamouh a coung e patetlah atimu katâcawtkhai e naw hah paw naseh ati e patetlah ao awh.
12 Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Talai ni pho, cati ka tâcawt sak e cakung, ati ka tawn ni teh a paw ka paw e thingkungnaw a pâw sak. Hotnaw hah Cathut ni a khet navah ahawi telah ati.
13 Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
Hottelah tangmin hoi amom teh apâthum hnin lah ao.
14 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
Hahoi Cathut ni karum dawk hoi khodai kapek nahanelah, kalvan e lathueng dawk angnae awm seh, mitnoutnae tue, hnin hoi kumnaw awmseh.
15 Ary aoka ho fanazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.
Kalvan e lathueng dawk, talai angnae ka poe hanelah, angnae awmseh telah ati e patetlah ao.
16 Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
Hahoi Cathut ni angnae kalen kahni touh a sak teh, khodai ka uk hanelah kalen e buet touh, karum ka uk hanelah kathoenge buet touh hoi âsinaw a sak.
17 Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin’ ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin’ ny tany,
Cathut ni talai dawk ang sak hanelah thoseh, khodai hoi karum ka uk hanelah thoseh, hmonae dawk hoi angnae kapek hanelah thoseh, kalvan e lathueng dawk a hruek.
18 sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Hote hah Cathut ni a khet navah, ahawi telah ati.
19 Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
Hottelah tangmin hoi amom teh apali hnin lah ao.
20 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan’ aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin’ ny tany eny amin’ ny habakabaky ny lanitra.
Hahoi, Cathut ni kahring ni teh kâroe e saring, tui ni pungdaw sak naseh. Tavanaw hai kalvan e lathueng dawk kamleng naseh telah ati.
21 Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan’ aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin’ ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Hahoi, Cathut ni tuipui dawk e saring kalenpoungnaw, kahring ni teh kâroe e saringnaw tui ni amamouh coungnae patetlah lengkaleng a pungdaw sak teh, rathei ka tawn e tavanaw hai amamouh coungnae patetlah lengkaleng a sak. Hote hah Cathut ni a khet navah ahawi telah ati.
22 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin’ ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ ny tany.
Cathut ni hote saringnaw hah yawhawi a poe teh, moikapap pungdaw awh nateh, tuipui tuinaw dawk kawi sak awh. Tavanaw hai talai dawk pungdaw awh telah ati.
23 Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
Hottelah tangmin hoi amom teh apanga hnin lah ao.
24 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan’ aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
Hahoi Cathut ni saring hoi moithangnaw, vonpui hoi kâva e moithangnaw talî ni pungdaw sak seh telah ati e patetlah ao.
25 Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Hottelah Cathut ni moithangnaw, saringnaw, vonpui hoi kâva e moithang pueng teh a sak. Hote hah Cathut ni a khet navah ahawi telah ati.
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Hahoi Cathut ni, mamae mei hoi kâvan lah, meikalat lah tami sak awh sei. Ahni ni tuipui dawk e tanganaw, kalvan e tavanaw, talai dawk e saring pueng hoi, vonpui hoi kâva e saring pueng e lathueng kâ tawn seh telah ati.
27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
Hottelah Cathut ni amae mei hoi kâvan lah, amae meikalat lah tongpa hoi napui hah a sak.
28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.
Hahoi ahnimouh roi hah Cathut ni yawhawinae a poe teh, Cathut ni ahnimouh roi koe, canaw moikapap khe nateh pungdaw awh. Talai dawk kawi awh nateh, tâ awh loe. Tuipui dawk e tanganaw, kalvan e tavanaw, talai dawk vonpui hoi kâva e moithang pueng koe kâ tawn awh telah ati.
29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
Hahoi Cathut ni khenhaw! talai dawk cati ka tâcawt sak e cakung aphunphun, a paw dawk a mu kaawm e thingkung pueng, na ca awh hanelah kai ni na poe.
30 Ary ny amin’ ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
Hahoi, talai e moithang, kalvan e tava, hoi kahring niteh, talai dawk vonpui hoi kâva e moithang pueng ni a ca hanelah, pho kahring aphunphun ka poe telah ati e patetlah ao.
31 Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
Hahoi, Cathut ni a sak e pueng a khet navah, ahawipoung telah ati. Hottelah tangmin hoi amom teh ataruk hnin lah ao.

+ Genesisy 1 >