< Genesisy 9 >

1 Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Ndipo Mungu akambariki Noa na wanawe, akiwaambia, “Zaeni mkaongezeke kwa idadi na mkaijaze tena dunia.
2 Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
Wanyama wote wa duniani, ndege wote wa angani, kila kiumbe kitambaacho juu ya ardhi, na samaki wote wa baharini wamekabidhiwa mikononi mwenu, nao watawaogopa na kuwahofu.
3 Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
Kila kitu chenye uhai kiendacho kitakuwa chakula chenu. Kama vile nilivyowapa mimea mbalimbali, sasa nawapa kila kitu.
4 Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
“Lakini kamwe msile nyama ambayo bado ina damu ya uhai wake, kwa maana damu ni uhai.
5 Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Hakika damu ya uhai wenu nitaidai. Nitaidai kutoka kwa kila mnyama. Kutoka kwa kila mwanadamu pia nitaidai kwa ajili ya uhai wa mtu mwenzake.
6 Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.
“Yeyote amwagaye damu ya mwanadamu, damu yake itamwagwa na mwanadamu, kwa kuwa katika mfano wa Mungu, Mungu alimuumba mwanadamu.
7 Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.
Kuhusu ninyi, zaeni mwongezeke kwa wingi, mzidi katika dunia na kuijaza.”
8 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
Ndipo Mungu akamwambia Noa na wanawe pamoja naye:
9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareo
“Sasa mimi ninaweka Agano langu nanyi, pamoja na uzao wenu baada yenu,
10 sy amin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
pia na kila kiumbe hai kilichokuwa pamoja nanyi: Ndege, wanyama wa kufugwa na wanyama wote wa porini, wale wote waliotoka katika safina pamoja nanyi, kila kiumbe hai duniani.
11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
Ninaweka Agano nanyi: Kamwe uhai hautafutwa tena kwa gharika, kamwe haitakuwepo tena gharika ya kuangamiza dunia.”
12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:
Mungu akasema, “Hii ni ishara ya Agano ninalofanya kati yangu na ninyi na kila kiumbe hai kilicho pamoja nanyi, Agano kwa vizazi vyote vijavyo:
13 Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.
Nimeweka upinde wangu wa mvua mawinguni, nao utakuwa ishara ya Agano nifanyalo kati yangu na dunia.
14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,
Wakati wowote ninapotanda mawingu juu ya dunia na upinde wa mvua ukijitokeza mawinguni,
15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
nitakumbuka Agano langu kati yangu na ninyi na viumbe vyote vilivyo hai vya kila aina. Kamwe maji hayatakuwa tena gharika ya kuangamiza uhai wote.
16 Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
Wakati wowote upinde wa mvua unapotokea mawinguni, nitauona na kukumbuka Agano la milele kati ya Mungu na viumbe vyote vilivyo hai vya kila aina duniani.”
17 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
Hivyo Mungu akamwambia Noa, “Hii ndiyo ishara ya Agano ambalo nimelifanya kati yangu na viumbe vyote vilivyo hai duniani.”
18 Ary ny zanakalahin’ i Noa izay izay nivoaka avy tamin’ ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain’ i Kanana.
Wana wa Noa waliotoka ndani ya safina ni: Shemu, Hamu na Yafethi. (Hamu ndiye alikuwa baba wa Kanaani.)
19 Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.
Hawa ndio waliokuwa wana watatu wa Noa, kutokana nao watu walienea katika dunia.
20 Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
Noa akawa mkulima, akawa mtu wa kwanza kupanda mizabibu.
21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
Alipokunywa huo mvinyo wake akalewa na akalala uchi kwenye hema lake.
22 Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
Hamu, baba wa Kanaani, akauona uchi wa baba yake na kuwaeleza ndugu zake wawili waliokuwa nje.
23 Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.
Lakini Shemu na Yafethi wakachukua nguo wakaitanda mabegani mwao wote wawili, kisha wakaenda kinyumenyume, wakaufunika uchi wa baba yao. Nyuso zao zilielekea upande mwingine ili wasiuone uchi wa baba yao.
24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.
Noa alipolevuka kutoka kwenye mvinyo wake na kujua lile ambalo mwanawe mdogo kuliko wote alilokuwa amemtendea,
25 Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.
akasema, “Alaaniwe Kanaani! Atakuwa mtumwa wa chini sana kuliko watumwa wote kwa ndugu zake.”
26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
Pia akasema, “Abarikiwe Bwana, Mungu wa Shemu! Kanaani na awe mtumwa wa Shemu.
27 Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
Mungu na apanue mipaka ya Yafethi; Yafethi na aishi katika mahema ya Shemu, na Kanaani na awe mtumwa wake.”
28 Ary ny andro niainan’ i Noa taorian’ ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
Baada ya gharika Noa aliishi miaka 350.
29 Ary ny andro rehetra niainan’ i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Noa alikuwa na jumla ya miaka 950, ndipo akafa.

< Genesisy 9 >