< Genesisy 8 >

1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
Mungu akamtazama Nuhu, wanyama wote wa mwitu, na wanyama wote wa kufugwa ambao walikuwa pamoja naye kwenye safina. Mungu akafanya upepo uvume juu ya nchi, na maji yakaanza kuzama chini.
2 Ary tampina ny loharanon’ ny lalina sy ny varavaran’ ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
Chemichemi za vilindi pamoja na madirisha ya mbingu vikafungwa, na mvua ikakoma kunyesha.
3 Ary nihena niandalana niala tamin’ ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
Maji ya gharika yakaanza kuzama kidogo kidogo katika nchi. na mwisho wa siku miamoja na hamsini maji yakawa yamezama chini.
4 Dia nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafito.
safina ikatulia katika mwezi wa saba, siku ya kumi na saba ya mwezi, juu ya milima ya Ararati.
5 Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ ny volana fahafolo; tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ ny tendrombohitra.
Maji yakaendelea kuzama chini hadi mwezi wa kumi. Siku ya kwanza ya mwezi, vilele vya milima vikaonekana.
6 Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan’ i Noa ny varavarankelin’ ny sambo-fiara izay efa nataony.
Ikatokea kwamba baada ya siku arobaini Nuhu alifungua dirisha la safina ambayo aliitengeneza.
7 Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin’ ny tany iny.
Akatuma kunguru na akaruka hadi maji yalipo kauka katika nchi.
8 Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin’ ny tany, na tsia.
Kisha akatuma njiwa kuona kama maji yamezama chini kutoka kwenye uso wa nchi,
9 Fa tsy hitan’ ilay voromailala izay hipetrahan’ ny faladiany, dia niverina tamin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ ny sambo-fiara.
lakini njiwa hakuona sehemu ya kutua unyayo wake, na akarudi kwake ndani ya safina, kwa kuwa maji yalikuwa bado yamefunika nchi yote. Akanyoosha mkono wake, akamchukua na kumuweka ndani ya safina pamoja naye.
10 Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin’ ny sambo-fiara indray izy.
Akasubiri siku saba zingine akatuma tena njiwa kutoka kwenye safina.
11 Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’ oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’ i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ ny tany.
Njiwa akarudi kwake jioni. Tazama! katika mdomo wake kulikuwa na jani bichi la mzeituni lililochumwa. Kwa hiyo Nuhu akatambua kuwa maji yamekwisha zama chini ya nchi.
12 Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
Akasubiri siku saba zingine na akamtuma njiwa tena. Njiwa hakurudi kwake tena.
13 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin’ ny tany; ary nanaisotra ny tafon’ ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
Ikawa kwamba katika mwaka wa mia sita na moja, katika mwezi wa kwanza, siku ya kwanza ya mwezi, maji yalikuwa yamekauka katika nchi. Nuhu akaondoa kifuniko cha safina, akatazama nje, na akaona kwamba, Tazama, uso wa nchi ulikuwa umekauka.
14 Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa, dia maina ny tany.
Katika mwezi wa pili, siku ya ishirini na saba ya mwezi, nchi ilikuwa imekauka.
15 Ary Andriamanitra dia niteny tamin’ i Noa ka nanao hoe:
Mungu akamwambia Nuhu,
16 Mivoaha amin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
“Toka nje ya safina, wewe, mke wako, wanao wa kiume, na wake wa wanao pamoja nawe.
17 Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.
Wachukuwe utoke nje pamoja nao kila kiumbe hai chenye mwili ambacho kiko nawe - ndege, wanyama wa kufugwa, na kila kitambaacho ambacho hutambaa juu ya nchi - ili kwamba viweze kukua na kuwa na idadi kubwa zaidi ya viumbe hai katika nchi yote, kwa kuzaliana na kuongezeka juu ya nchi.”
18 Dia nivoaka Noa mbamin’ ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
Kwa hiyo Nuhu akatoka nje pamoja na watoto wake wa kiume, mke wake, na wake wa wa wanawe pamoja naye.
19 Ny zava-manan’ aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’ izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ ny tany dia samy nivoaka avy tao amin’ ny sambo-fiara araka ny karazany.
Kila kiumbe hai, kila kitambaacho, na kila ndege, na kila kiendacho juu ya nchi, kwa kabila zao, wakaiacha safina.
20 Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
Nuhu akajenga madhabahu kwa Yahwe. Akachukua baadhi ya wanyama walio safi na baadhi ya ndege walio safi, na kutoa sadaka ya kuteketezwa juu ya madhabahu.
21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Yahwe akanusa harufu nzuri ya kuridhisha na akasema moyoni mwake, “Sita laani tena ardhi kwa sababu ya mwanadamu, ingawa nia za mioyo yao ni mbaya tokea utoto. Wala sita haribu kilakitu chenye uhai, kama nilivyo fanya.
22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.
Wakati nchi isaliapo, majira ya kupanda mbegu na mavuno, baridi na joto, kiangazi na majira ya baridi, mchana na usiku havitakoma.”

< Genesisy 8 >

A Dove is Sent Forth from the Ark
A Dove is Sent Forth from the Ark