< Genesisy 8 >

1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
Dios se acordó de Noé, de todos los animales y de todo el ganado que estaba con él en el barco; y Dios hizo pasar un viento sobre la tierra. Las aguas se calmaron.
2 Ary tampina ny loharanon’ ny lalina sy ny varavaran’ ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
También se detuvieron las fuentes de las profundidades y las ventanas del cielo, y se frenó la lluvia del cielo.
3 Ary nihena niandalana niala tamin’ ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
Las aguas se retiraron continuamente de la tierra. Al cabo de ciento cincuenta días las aguas se retiraron.
4 Dia nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafito.
La nave se detuvo en el séptimo mes, el día diecisiete del mes, sobre las montañas de Ararat.
5 Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ ny volana fahafolo; tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ ny tendrombohitra.
Las aguas retrocedieron continuamente hasta el décimo mes. En el décimo mes, el primer día del mes, las cimas de las montañas fueron visibles.
6 Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan’ i Noa ny varavarankelin’ ny sambo-fiara izay efa nataony.
Al cabo de cuarenta días, Noé abrió la ventana de la nave que había hecho,
7 Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin’ ny tany iny.
y envió un cuervo. Fue de un lado a otro, hasta que las aguas se secaron de la tierra.
8 Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin’ ny tany, na tsia.
Él mismo envió una paloma para ver si las aguas se habían retirado de la superficie de la tierra,
9 Fa tsy hitan’ ilay voromailala izay hipetrahan’ ny faladiany, dia niverina tamin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ ny sambo-fiara.
pero la paloma no encontró lugar para posar su pie, y volvió a la nave hacia él, porque las aguas estaban en la superficie de toda la tierra. Él extendió la mano, la tomó y la introdujo en la nave.
10 Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin’ ny sambo-fiara indray izy.
Esperó aún otros siete días, y volvió a enviar a la paloma fuera de la nave.
11 Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’ oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’ i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ ny tany.
Al anochecer, la paloma regresó a él, y he aquí que en su boca había una hoja de olivo recién arrancada. Así Noé supo que las aguas habían desaparecido de la tierra.
12 Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
Esperó aún otros siete días y envió a la paloma, y ésta ya no volvió a él.
13 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin’ ny tany; ary nanaisotra ny tafon’ ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
En el año seiscientos uno, en el primer mes, el primer día del mes, las aguas se secaron de la tierra. Noé quitó la cubierta de la nave y miró. Vio que la superficie de la tierra estaba seca.
14 Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa, dia maina ny tany.
En el segundo mes, a los veintisiete días del mes, la tierra estaba seca.
15 Ary Andriamanitra dia niteny tamin’ i Noa ka nanao hoe:
Dios habló a Noé, diciendo:
16 Mivoaha amin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
“Sal de la nave, tú, tu mujer, tus hijos y las mujeres de tus hijos contigo.
17 Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.
Saca contigo todo ser viviente de toda carne, incluyendo las aves, el ganado y todo animal que se arrastra sobre la tierra, para que se reproduzcan abundantemente en la tierra, y sean fructíferos y se multipliquen sobre la tierra.”
18 Dia nivoaka Noa mbamin’ ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
Noé salió con sus hijos, su mujer y las mujeres de sus hijos.
19 Ny zava-manan’ aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’ izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ ny tany dia samy nivoaka avy tao amin’ ny sambo-fiara araka ny karazany.
Todo animal, todo reptil y toda ave, todo lo que se mueve en la tierra, según sus familias, salió de la nave.
20 Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
Noé construyó un altar a Yahvé, y tomó de todo animal limpio y de toda ave limpia, y ofreció holocaustos sobre el altar.
21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Yahvé olió el agradable aroma. Yahvé dijo en su corazón: “No volveré a maldecir la tierra por causa del hombre, porque la imaginación del corazón del hombre es mala desde su juventud. No volveré a golpear a todo ser viviente, como lo he hecho.
22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.
Mientras la tierra permanezca, no cesarán el tiempo de la siembra y la cosecha, el frío y el calor, el verano y el invierno, el día y la noche.”

< Genesisy 8 >

A Dove is Sent Forth from the Ark
A Dove is Sent Forth from the Ark