< Genesisy 7 >
1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.
Ipapo Jehovha akati kuna Noa, “Pindai muareka iwe nemhuri yako yose nokuti ndakuona iwe kuti wakarurama murudzi urwu.
2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
Utore mhando dzemhuka dzose dzakanaka nomwe nomwe, mukono nehadzi yayo uye mbiri mbiri pamhando dzose dzemhuka dzisina kunaka, mukono nehadzi yayo,
3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin’ ny tany rehetra ireny.
uyewo nomwe nomwe pamhando dzose dzeshiri, mukono nehadzi, kuti uraramise marudzi azvo akasiyana-siyana munyika yose.
4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
Mazuva manomwe kubva zvino ndichanayisa mvura panyika kwamazuva makumi mana nousiku makumi mana, uye ndichabvisa pamusoro penyika zvisikwa zvipenyu zvose zvandakaita.”
5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.
Uye Noa akaita zvose zvaakarayirwa naJehovha.
6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
Noa akanga ava namakore mazana matanhatu okuberekwa panguva yakanaya mvura yamafashamu panyika.
7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
Uye Noa navanakomana vake nomukadzi wake navakadzi vavanakomana vake vakapinda muareka kuti vapunyuke pamvura yamafashamu.
8 Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany,
Zviviri zviviri zvemhuka dzakanaka nedzisina kunaka, zviviri zviviri zveshiri nezvezvisikwa zvose zvinokambaira panyika,
9 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa.
mukono nehadzi, zvakauya kuna Noa ndokupinda muareka, sezvakanga zvarayirwa naMwari kuna Noa.
10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
Uye shure kwamazuva manomwe mvura yamafashamu yakasvika panyika.
11 Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.
Mugore ramazana matanhatu roupenyu hwaNoa, pazuva regumi namanomwe romwedzi wechipiri, pazuva iro zvitubu zvose zvapakadzika zvakatubuka, uye masuo amafashamu okudenga akazarurwa.
12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
Uye mvura yakanaya panyika kwamazuva makumi mana nousiku makumi mana.
13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
Pazuva racho iroro, Noa navanakomana vake, Shemu, Hamu naJafeti, pamwe chete nomukadzi wake navakadzi vavanakomana vake vatatu, vakapinda muareka.
14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
Vakanga vane mhuka dzose dzesango namarudzi adzo, nezvipfuwo zvose namarudzi azvo neshiri dzose namarudzi adzo, nezvose zvina mapapiro.
15 Dia niditra tao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin’ ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
Zviviri zviviri pazvisikwa zvose zvino upenyu mazviri zvakauya kuna Noa zvikapinda muareka.
16 Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.
Mhuka dzaipinda dzaiva mukono nehadzi pazvipenyu zvose, sezvakanga zvarayirwa Noa naMwari. Ipapo Jehovha akamupfigira mukati.
17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin’ ny tany izy.
Mafashamu akaramba achingouya panyika kwamazuva makumi mana, uye mvura sezvayakaramba ichiwanda yakasimudza areka pamusoro-soro penyika.
18 Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ ny tany; dia nandeha teny ambonin’ ny rano ny sambo-fiara.
Mvura zhinji yakasimuka uye ikawanda zvikuru panyika, uye areka ikayangarara pamusoro pemvura.
19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra.
Yakakwira kwazvo pamusoro penyika, uye makomo ose marefu ari pasi pedenga akafukidzwa.
20 Dimy ambin’ ny folo hakiho no nihoaran’ ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
Mvura zhinji yakasimuka ikafukidza makomo kusvikira pamakubhiti gumi namashanu kudzika kubva pamusoro pawo.
21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra.
Zvipenyu zvose zvinokambaira panyika zvakaparara, shiri, zvipfuwo, mhuka dzesango, zvisikwa zvose zvakafararira pamusoro penyika, namarudzi ose avanhu.
22 Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’ izay rehetra teo amin’ ny tany maina, dia maty avokoa.
Zvinhu zvose zvakanga zvino kufema kwoupenyu mumhino dzazvo panyika zvakafa.
23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
Zvinhu zvose zvipenyu zvaiva pamusoro penyika zvakaparadzwa, vanhu nemhuka, nezvisikwa zvinokambaira panyika neshiri dzedenga zvakaparadzwa kubva panyika. Noa bedzi ndiye akasiyiwa navaya vaiva naye muareka.
24 Ary nahery tambonin’ ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
Mvura zhinji yakafukidza nyika kwamazuva makumi mashanu.