< Genesisy 7 >
1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.
I reèe Gospod Noju: uði u kovèeg ti i sav dom tvoj; jer te naðoh pravedna pred sobom ovoga vijeka.
2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
Uzmi sa sobom od svijeh životinja èistih po sedmoro, sve mužjaka i ženku njegovu; a od životinja neèistih po dvoje, mužjaka i ženku njegovu,
3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin’ ny tany rehetra ireny.
Takoðer i od ptica nebeskih po sedam, mužjaka i ženku njegovu, da im se saèuva sjeme na zemlji.
4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
Jer æu do sedam dana pustiti dažd na zemlju za èetrdeset dana i èetrdeset noæi, i istrijebiæu sa zemlje svako tijelo živo, koje sam stvorio.
5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.
I Noje uèini sve što mu zapovjedi Gospod.
6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
A bješe Noju šest stotina godina kad doðe potop na zemlju.
7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
I uðe Noje u kovèeg i sinovi njegovi i žena njegova i žene sinova njegovijeh s njim radi potopa.
8 Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany,
Od životinja èistih i od životinja neèistih i od ptica i od svega što se mièe po zemlji,
9 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa.
Uðe k Noju u kovèeg po dvoje, muško i žensko, kao što bješe Bog zapovjedio Noju.
10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
A u sedmi dan doðe potop na zemlju.
11 Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.
Kad je bilo Noju šest stotina godina, te godine drugoga mjeseca, sedamnaesti dan toga mjeseca, taj dan razvališe se svi izvori velikoga bezdana, i otvoriše se ustave nebeske;
12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
I udari dažd na zemlju za èetrdeset dana i èetrdeset noæi.
13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
Taj dan uðe u kovèeg Noje i Sim i Ham i Jafet, sinovi Nojevi, i žena Nojeva i tri žene sinova njegovijeh s njima;
14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
Oni, i svakojake zvijeri po vrstama svojim, i svakojaka stoka po vrstama svojim, i što se god mièe po zemlji po vrstama svojim, i ptice sve po vrstama svojim, i što god leti i ima krila.
15 Dia niditra tao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin’ ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
Doðe k Noju u kovèeg po dvoje od svakoga tijela, u kojem ima živa duša,
16 Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.
Muško i žensko od svakoga tijela uðoše, kao što bješe Bog zapovjedio Noju; pa Gospod zatvori za njim.
17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin’ ny tany izy.
I bi potop na zemlji za èetrdeset dana; i voda doðe i uze kovèeg, i podiže ga od zemlje.
18 Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ ny tany; dia nandeha teny ambonin’ ny rano ny sambo-fiara.
I navali voda, i usta jako po zemlji, i kovèeg stade ploviti vodom.
19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra.
I navaljivaše voda sve veæma po zemlji, i pokri sva najviša brda što su pod cijelijem nebom.
20 Dimy ambin’ ny folo hakiho no nihoaran’ ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
Petnaest lakata doðe voda iznad brda, pošto ih pokri.
21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra.
Tada izgibe svako tijelo što se micaše na zemlji, ptice i stoka, i zvijeri i sve što gamiže po zemlji, i svi ljudi.
22 Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’ izay rehetra teo amin’ ny tany maina, dia maty avokoa.
Sve što imaše dušu živu u nosu, sve što bijaše na suhu, pomrije.
23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
I istrijebi se svako tijelo živo na zemlji, i ljudi i stoka i što god gamiže i ptice nebeske, sve, velim, istrijebi se sa zemlje; samo Noje osta i što s njim bješe u kovèegu.
24 Ary nahery tambonin’ ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
I stajaše voda povrh zemlje sto i pedeset dana.