< Genesisy 6 >
1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ ny tany ka teraka zazavavy maro,
Anthu atayamba kuchuluka pa dziko lapansi ndi kubereka ana aakazi,
2 dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.
ana aamuna a Mulungu anaona kuti ana aakazi a anthuwo anali okongola. Ndipo anakwatira aliyense amene anamusankha.
3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ ny olona ny Fanahiko, fa amin’ ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
Tsono Yehova anati, “Sindilola kuti chipwirikiti chikuchitikachi chipitirire mpaka muyaya, pakuti iye ndi munthu; masiku a moyo wake adzakhala zaka 120.”
4 Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
Masiku amenewo komanso pambuyo pake, pa dziko lapansi panali Anefili, anthu amphamvu ndiponso otchuka. Anthuwa ndi amene ankabadwa ana a Mulungu aja atakwatira ana aakazi a anthu.
5 Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Pamene Yehova anaona kuti kuyipa kwa munthu pa dziko lapansi kunali kwakukulu ndi kuti nthawi zonse amalingalira ndi kukhumbira kuchita zoyipa zokhazokha,
6 Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ ny tany, ka nalahelo ny fony.
Yehova anamva chisoni kuti analenga munthu ndi kumuyika pa dziko lapansi, ndipo anawawidwa mtima.
7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin’ ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
Choncho Yehova anati, “Ndidzafafaniza munthu, nyama, zonse zokwawa, ndi mbalame za mu mlengalenga pa dziko lapansi, pakuti ndikumva chisoni kuti ndinazilenga zimenezi.”
8 Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.
Koma Yehova anamukomera mtima Nowa.
9 Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.
Mbiri ya Nowa inali yotere: Nowa anali munthu wolungama ndi wopanda tchimo pakati pa anthu a mʼbado wake. Ndipo anayenda ndi Mulungu.
10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta.
Nowa anabereka ana aamuna atatu: Semu, Hamu ndi Yafeti.
11 Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady heni-doza;
Chiwawa chinadzaza pa dziko lapansi kotero kuti dziko linakhala lowonongeka pamaso pa Mulungu.
12 dia hitan’ Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ ny tany.
Mulungu atayangʼana, anaona kuti dziko layipadi chifukwa cha makhalidwe oyipa a anthu onse pa dziko lapansi.
13 Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.
Ndipo Mulungu anati kwa Nowa, “Ndatsimikiza mtima kuti ndiwononge anthu onse, pakuti dziko lapansi ladzaza ndi ntchito zawo zoyipa. Ndithudi ndiwawononga pamodzi ndi zonse za pa dziko.
14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin’ ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
Tsono udzipangire chombo cha matabwa a mtengo wanjale; mʼkati mwake upange zipinda ndipo upake phula mʼkati ndi kunja.
15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
Uchipange motere: Chombo chikhale mamita 140 mulitali, mamita 23 mulifupi ndi mamita 13 mu msinkhu wake.
16 Ary hasianao fidiran’ ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin’ ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
Uchipangire denga ndi kuchimaliza ndi zenera la masentimita makumi asanu. Uyike khomo mʼmbali mwa chombocho ndi kupanga zipinda zosanjikana; chapansi, chapakati ndi chapamwamba.
17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin’ ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ ny tany.
Ndidzagwetsa mvula ya chigumula pa dziko lapansi kuti ndiwononge zamoyo zonse za pansi pa thambo ndipo chilichonse cha pa dziko lapansi chidzafa.
18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ ny vinantonao vavy miaraka aminao.
Koma ndidzachita pangano langa ndi iwe. Iwe, ana ako aamuna, mkazi wako ndi akazi a ana ako nonse mudzalowa mʼchombocho.
19 Ary ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
Iwe udzalowa mʼchombocho ndi zolengedwa zamoyo zonse ziwiriziwiri, chachimuna ndi chachikazi, kuti zisungike ndi moyo pamodzi ndi iwe.
20 Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
Udzatenga ziwiriziwiri za mitundu yonse ya mbalame, mitundu yonse ya nyama, ndi mitundu yonse ya zokwawa kuti zikhale ndi moyo.
21 Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ ireo koa izany.
Udzatengenso chakudya cha mtundu uliwonse ndi kuchisunga kuti inu ndi nyamazo muzidzadya.”
22 Dia nataon’ i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy no nataony.
Nowa anachita zonse monga Mulungu anamulamulira.