< Genesisy 50 >

1 Ary Josefa nihohoka tamin’ ny tavan’ ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
Jozefi amibwakaki na nzoto ya tata na ye, alelaki ye mpe apesaki ye beze.
2 Ary nasain’ i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’ Isiraely ny mpanao fanafody.
Bongo Jozefi apesaki mitindo na minganga oyo bazalaki kosala epai na ye ete bakawusa nzoto ya Isalaele, tata na ye. Boye minganga bakawusaki nzoto ya Isalaele,
3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
bakokisaki mikolo tuku minei oyo esengelaki mpo na kokawusa nzoto ya mowei. Bato ya Ejipito basalelaki ye matanga mikolo tuku sambo.
4 Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin’ ny tao an-tranon’ i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin’ i Farao, ka ataovy hoe:
Tango mikolo ya matanga esilaki, Jozefi alobaki na bakonzi oyo basalaka na ndako ya Faraon: — Soki nazwi ngolu na miso na bino, bolobela ngai epai ya Faraon. Boyebisa ye
5 Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
ete tata na ngai alapisaki ngai ndayi: « Nakomi pembeni ya kokufa, bokunda ngai kati na kunda oyo natobolaki na libanga, na mokili ya Kanana. » Mpe sik’oyo, tika ete apesa ngai nzela mpo ete nakende kokunda tata na ngai, bongo na sima nde nakozonga.
6 Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
Faraon azongisaki: — Kende mpe kunda tata na yo ndenge alapisaki yo ndayi.
7 Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon’ i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ ny tany Egypta,
Boye Jozefi akendeki kokunda tata na ye; bakalaka nyonso ya lokumu ya Faraon bakendeki elongo na ye: bakonzi oyo bazalaki kosala na ndako na ye mpe bakonzi nyonso ya Ejipito
8 ary ny ankohonan’ i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin’ ny tany Gosena.
elongo na bato nyonso ya ndako ya Jozefi, bandeko na ye ya mibali mpe bato nyonso oyo bazalaki na ndako ya tata na ye. Bana na bango kaka nde batikalaki na Gosheni na bameme, bantaba mpe bangombe na bango.
9 Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
Jozefi atambolaki lisusu elongo na bashareti mpe bato oyo batambolaka likolo ya bampunda. Ezalaki mobembo ya bato ebele penza.
10 Ary rehefa tonga teo Goren’ atada izy, izay ao an-dafin’ i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
Tango bakomaki na etando ya Atadi, pembeni ya Yordani, basalaki matanga ya monene penza. Jozefi asalaki mikolo sambo ya matanga mpo na tata na ye.
11 Ary rehefa hitan’ ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’ i Jordana.
Bongo tango bato ya Kanana oyo bazalaki kovanda kuna bamonaki matanga wana na etando ya Atadi, balobaki: « Bato ya Ejipito bazali na milulu minene ya matanga. » Yango wana babengaki esika yango Abele-Mitsirayimi, oyo ezali pembeni ya Yordani.
12 Ary ny zanakalahin’ i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
Bana mibali ya Jakobi basalaki ndenge tata na bango atindaki bango.
13 dia nitondra azy tany amin’ ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ ny zohy amin’ ny saha Makpela, tandrifin’ i Mamre, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
Bamemaki ye na mokili ya Kanana mpe bakundaki ye na lidusu ya mabanga oyo ezali na elanga ya Makipela, pembeni ya Mamire, elanga oyo Abrayami asombaki epai ya Efroni, moto ya Iti, mpo ete akomisa yango lilita na ye.
14 Ary rehefa voalevin’ i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin’ izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
Sima na kokunda tata na ye, Jozefi azongaki na Ejipito elongo na bandeko na ye ya mibali mpe bato nyonso oyo balandaki ye mpo na kokunda tata na ye.
15 Ary rehefa hitan’ ny rahalahin’ i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
Tango bandeko mibali ya Jozefi bamonaki ete tata na bango asili kokufa, balobaki: « Tango mosusu Jozefi akoyina biso mpe akozongisela biso mabe nyonso oyo tosalaki ye! »
16 Dia naniraka nankany amin’ i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
Boye batindelaki Jozefi maloba oyo: « Liboso ete tata na yo akufa, atikaki maloba oyo: ‹ Tala makambo oyo bokoyebisa Jozefi:
17 ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Josefa: Mamela re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
‘Nasengi ete olimbisa masumu ya bandeko na yo mpe mabe oyo basalaki yo! Sik’oyo, nabondeli yo, limbisa masumu ya basali ya Nzambe ya tata na yo!’ › » Tango Jozefi ayokaki maloba yango, alelaki.
18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
Bandeko na ye bayaki, bamibwakaki liboso na ye mpe balobaki: — Tozali bawumbu na yo.
19 Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
Kasi Jozefi alobaki na bango: — Bobanga te! Boni, ngai nazali na esika ya Nzambe?
20 Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Bino bokanisaki kosala ngai mabe, kasi Nzambe abongolaki yango bolamu mpo na kokokisa, ndenge ezali kosalema sik’oyo, lobiko ya bomoi ya bato ebele.
21 Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
Yango wana, bobanga te! Nakokokisa posa na bino mpe ya bana na bino. Akitisaki bango mitema mpe alobelaki bango na boboto nyonso.
22 Ary Josefa sy ny ankohonan’ ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan’ i Josefa dia folo amby zato taona.
Jozefi avandaki na Ejipito elongo na libota nyonso ya tata na ye. Awumelaki na bomoi mibu nkama moko na zomi.
23 Ary hitan’ i Josefa ny zafiafin’ i Efraima; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany.
Amonaki bakitani ya Efrayimi kino na molongo ya misato. Amonaki lisusu bana ya Makiri, mwana mobali ya Manase, ba-oyo babotamaki na mabolongo ya Jozefi.
24 Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Jozefi alobaki na bandeko na ye ya mibali: « Nakomi pene ya kokufa. Kasi ya solo, Nzambe akosalisa bino mpe akobimisa bino na mokili oyo, mpo na kokotisa bino na mokili oyo alakaki epai ya Abrayami, ya Izaki mpe ya Jakobi tango alapaki ndayi. »
25 Ary Josefa dia nampianiana ny zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
Jozefi alapisaki bana mibali ya Isalaele ndayi mpe alobaki na bango: « Tango Nzambe akosunga bino, bokolongola mikuwa na ngai na esika oyo. »
26 Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin’ ny vata tany Egypta.
Bongo Jozefi akufaki tango akokisaki mibu ya mbotama nkama moko na zomi. Tango basilisaki kokawusa nzoto na ye, batiaki ye na sanduku na Ejipito.

< Genesisy 50 >