< Genesisy 5 >
1 Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
Hii ni orodha iliyoandikwa ya vizazi vya Adamu. Wakati Mungu alipomuumba Adamu, alimfanya kwa sura ya Mungu.
2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ ny andro namoronany azy.
Aliwaumba mwanaume na mwanamke, akawabariki. Walipokwisha kuumbwa, akawaita “mwanadamu.”
3 Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
Adamu alipokuwa ameishi miaka 130, alikuwa na mwana aliyekuwa na sura yake, mwenye kufanana naye. Akamwita Sethi.
4 Ary ny andron’ i Adama taorian’ ny niterahany an’ i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya Sethi kuzaliwa, Adamu aliishi miaka 800, akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
5 Ary ny andro rehetra niainan’ i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Adamu aliishi jumla ya miaka 930, ndipo akafa.
6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’ i Seta, dia niteraka an’ i Enosy izy.
Sethi alipokuwa ameishi miaka 105, akamzaa Enoshi.
7 Ary ny andro niainan’ i Seta taorian’ ny niterahany an’ i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya kumzaa Enoshi, Sethi aliishi miaka 807, akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
8 Ary ny andro rehetra niainan’ i Seta dia roa ambin’ ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
Sethi aliishi jumla ya miaka 912, ndipo akafa.
9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’ i Enosy, dia niteraka an’ i Kenana izy.
Enoshi alipokuwa ameishi miaka tisini, akamzaa Kenani.
10 Ary ny andro niainan’ i Enosy taorian’ ny niterahany an’ i Kenana dia dimy ambin’ ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
Baada ya kumzaa Kenani, Enoshi aliishi miaka 815, naye alikuwa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
11 Ary ny andro rehetra niainan’ i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Enoshi aliishi jumla ya miaka 905, ndipo akafa.
12 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Kenana, dia niteraka an’ i Mahalalila izy.
Kenani alipokuwa ameishi miaka sabini, akamzaa Mahalaleli.
13 Ary ny andro niainan’ i Kenana taorian’ ny niterahany an’ i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya kumzaa Mahalaleli, Kenani aliishi miaka 840, akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
14 Ary ny andro rehetra niainan’ i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Kenani aliishi jumla ya miaka 910, ndipo akafa.
15 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Mahalalila, dia niteraka an’ i Jareda izy.
Mahalaleli alipokuwa ameishi miaka sitini na mitano, akamzaa Yaredi.
16 Ary ny andro niainan’ i Mahalalila taorian’ ny niterahany an’ i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya kumzaa Yaredi, Mahalaleli aliishi miaka 830, akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
17 Ary ny andro rehetra niainan’ i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
Mahalaleli aliishi jumla ya miaka 895, ndipo akafa.
18 Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Jareda dia niteraka an’ i Enoka izy.
Yaredi alipokuwa ameishi miaka 162, akamzaa Enoki.
19 Ary ny andro niainan’ i Jareda taorian’ ny niterahany niterahany an’ i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya kumzaa Enoki, Yaredi aliishi miaka 800, naye akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
20 Ary ny andro rehetra niainan’ i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Yaredi aliishi jumla ya miaka 962, ndipo akafa.
21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’ i Enoka, dia niteraka an’ i Metosela izy.
Enoki alipokuwa ameishi miaka sitini na mitano, akamzaa Methusela.
22 Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ ny niterahany an’ i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya kumzaa Methusela, Enoki alitembea na Mungu miaka 300, na akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
23 Ary ny andro rehetra niainan’ i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
Enoki aliishi jumla ya miaka 365.
24 Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
Enoki akatembea na Mungu, kisha akatoweka, kwa sababu Mungu alimchukua.
25 Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Metosela, dia niteraka an’ i Lameka izy.
Methusela alipokuwa ameishi miaka 187, akamzaa Lameki.
26 Ary ny andro niainan’ i Metosela taorian’ ny niterahany an’ i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya kumzaa Lameki, Methusela aliishi miaka 782, akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
27 Ary ny andro rehetra niainan’ i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
Methusela aliishi jumla ya miaka 969, ndipo akafa.
28 Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’ i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
Lameki alipokuwa ameishi miaka 182, alimzaa mwana.
29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ ny asantsika sy ny fisasaran’ ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’ i Jehovah.
Akamwita jina lake Noa, akasema, “Yeye ndiye atakayetufariji katika kazi na maumivu makali ya mikono yetu yaliyosababishwa na ardhi iliyolaaniwa na Bwana.”
30 Ary ny andro niainan’ i Lameka taorian’ ny niterahany an’ i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
Baada ya Noa kuzaliwa, Lameki aliishi miaka 595, akawa na watoto wengine wa kiume na wa kike.
31 Ary ny andro rehetra niainan’ i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
Lameki aliishi jumla ya miaka 777, ndipo akafa.
32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’ i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
Baada ya Noa kuishi miaka 500, aliwazaa Shemu, Hamu na Yafethi.