< Genesisy 49 >
1 Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
Sai Yaƙub ya kira’ya’yansa maza ya ce, “Ku tattaru don in faɗa muku abin da zai faru gare ku, a kwanaki masu zuwa.
2 Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:
“Ku tattaru, ku saurara,’ya’yan Yaƙub maza; ku saurari mahaifinku, Isra’ila.
3 Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
“Ruben, kai ne ɗan farina, ƙarfina, alamar farko ta ƙarfina, mafi matsayi, kuma mafi iko.
4 Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
Mai tumbatsa kamar ruwa, amma ba za ka ƙara zama mai daraja ba, gama ka hau gadon mahaifinka ka hau kujerata, ka kuma ƙazantar da shi.
5 SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
“Simeyon da Lawi’yan’uwa ne, takubansu makamai ne na tā da hankali.
6 Aza mankeo amin’ izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin’ ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
Ba zan shiga shawararsu ba, ba zan shiga taronsu ba, gama sun kashe maza cikin fushinsu cikin ganin dama suka kashe bijimai.
7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely.
La’ananne ne fushinsu, mai tsanani ne ƙwarai, hasalarsu kuwa, muguwa ce ƙwarai! Zan warwatsa su cikin Yaƙub in kuma daidaita su cikin Isra’ila.
8 Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
“Yahuda,’yan’uwanka za su yabe ka; hannuwanka za su kasance a wuyan abokan gābanka,’ya’yan mahaifinka maza za su rusuna maka.
9 Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
Kai ɗan zaki ne, ya Yahuda, ka dawo daga farauta, ɗana. Kamar zaki, yakan kwanta a miƙe, kamar zakanya, wa yake da ƙarfin halin tashe shi?
10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Kursiyi ba zai tashi daga Yahuda ba, ba kuwa sandan mulki daga tsakani ƙafafunsa ba, sai ya zo ga wanda yake mai shi. Biyayyar al’umma kuwa tasa ce.
11 Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ ny ram-boaloboka.
Zai daure jakinsa a kuringa, aholakinsa a rassa mafi kyau; zai wanke tufafinsa cikin ruwan inabi rigunansa cikin inabi ja wur kamar jini.
12 Mangamanga ny masony azon’ ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ ny ronono.
Idanunsa za su duhunce fiye da ruwan inabi, haƙorarsa farare kamar madara.
13 ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’ i Sidona.
“Zebulun zai zauna a bakin teku, yă zama tasar jiragen ruwa; iyakarsa za tă nausa zuwa Sidon.
14 ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan’ ny vala;
“Issakar doki mai ƙarfi, kwance tsakanin buhunan sirdi.
15 Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
Sa’ad da ya ga yadda wurin hutunsa yana da kyau da kuma daɗin da ƙasarsa take, zan tanƙware kafaɗarsa ga nauyi yă miƙa kai ga aikin dole.
16 DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ ny firenen’ ny Isiraely.
“Dan zai tanada adalci wa mutanensa kamar ɗaya cikin kabilan Isra’ila.
17 Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
Dan zai zama maciji a gefen hanya, kububuwa a bakin hanya, da take saran ɗiɗɗigen doki domin mahayinsa yă fāɗi da baya.
18 Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
“Ina zuba ido ga cetonka, ya Ubangiji.
19 GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
“Masu fashi za su fāɗa wa Gad, amma zai runtume su.
20 ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ ny hanim-pin’ andriana.
“Abincin Asher zai zama a wadace, zai yi tanadin abinci iri-iri da suka dace don sarki.
21 NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
“Naftali sakakkiyar barewa ce da take haihuwar kyawawan’ya’ya.
22 JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
“Yusuf kuringa ce mai ba da amfani. Kuringa mai ba da amfani kusa da rafi wadda rassanta na hawan bango.
23 Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
Da ɗaci rai mahara suka fāɗa masa; suka harbe shi babu tausayi.
24 Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,
Amma bakansa yana nan daram hannuwansa masu ƙarfi ba sa jijjiguwa saboda hannun Maɗaukaki na Yaƙub, saboda Makiyayi, Dutsen Isra’ila,
25 Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.
saboda Allah na mahaifinka, wanda ya taimake ka, saboda Maɗaukaki, wanda yake albarkace ka da albarkar sama da take bisa albarkun zurfafa da suke ƙarƙashin ƙasa albarkun mama da kuma mahaifa.
26 Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.
Albarkun mahaifi suna da girma fiye da albarkun daɗaɗɗun duwatsu fiye da yalwar madawwaman tuddai. Bari dukan waɗannan su zauna a kan Yusuf, a goshin ɗan sarki a cikin’yan’uwansa.
27 BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
“Benyamin kyarkeci ne mai kisa; da safe yakan cinye abin da ya farauto da yamma yakan raba ganima.”
28 Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
Dukan waɗannan su ne kabilu goma sha biyu na Isra’ila, kuma abin da mahaifinsu ya faɗa musu ke nan sa’ad da ya albarkace su, yana ba kowane albarkar da ta dace da shi.
29 Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,
Sa’an nan ya ba su waɗannan umarnai ya ce, “Ina gab da a tara ni ga mutanena. Ku binne ni tare da kakannina a kogon da yake cikin filin Efron mutumin Hitti,
30 ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, any amin’ ny tany Kanana, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
kogon da yake cikin filin Makfela, kusa da Mamre a Kan’ana, wanda Ibrahim ya saya tare da filin, yă zama makabarta daga Efron mutumin Hitti.
31 Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea,
A can aka binne Ibrahim da matarsa Saratu, a can aka binne Ishaku da matarsa Rebeka, a can kuma na binne Liyatu.
32 ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ ny taranak’ i Heta.
Filin tare da kogon da yake ciki, an saya daga Hittiyawa.”
33 Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.
Sa’ad da Yaƙub ya gama ba da umarnan ga’ya’yansa maza, sai ya ɗaga ƙafafunsa zuwa gado, ya ja numfashinsa na ƙarshe, aka kuwa tara shi ga mutanensa.